Antsingeny

Ny antsingeny na voamaho dia zavamaniry maniry isan-taona, ao amin' ny fianakavian-javamaniry Pedaliaceae, ao amin' ny vondron-karazana Sesamum, ambolena hahazoana voany. Sesamum indicum ny anarany ara-tsiansa. Tany amin’ ny Zana-kôntinanta Indiana no heverina ho nambolena azy voalohany ary azo inoana fa izy io no zavamaniry misy menaka voalohany nambolena.
Ny antsingeny dia maniry indrindra amin' ny faritra mafana manana toetanin-jana-pehintany sy ambanin-jana-pehintany ary toetany antonony aty Afrika (Sodàna) sy any Azia (India, Mianmara). Nisy fivoarana lehibe any amin' ny firenena atsimon' i Sahara io zavamaniry io noho izy mora ambolena sy noho ny masonkarena amokarana azy ambany.

Ny famokarana ny karazana antsingeny fotsy sy manopy fotsy dia manana taham-pitombo avo noho ny fampiasana azy nentim-paharazana any Azia sy noho ny fitombon’ ny mponina any amin' ireo firenena ireo, ary koa ny fampiasana azy mihamitombo hatrany any Eorôpa sy any Amerika Avaratra ary any amin' ny faritra hafa manerana izao tontolo izao amin' ny fanamboaran mofo sy biskitra.
Ny voan' antsingeny (voamaho), izay be lipida, dia ampiasaina manta, torotoroina na atsatsika, amin' ny fikarakarana sakafo sy amin' ny fanaova-mofo na ampiasaina hamokarana menaka zavamaniry azo hanina tsy misy fanadiovana.