Aller au contenu

Antrôpôlôjia filôzôfika

Avy amin'i Wikipedia

Ny antrôpôlôjia filôzôfika, indraindray antsoina hoe filôzôfia antrôpôlôjika, dia taranja sampan' ny filôzôfia mifandraika amin' ny fanontaniana momba ny metafizika sy ny fenômenôlôjia momba ny maha olombelona. Tsy afangaro amin' ny filôzôfian' ny antrôpôlôjia, izay fandalinana ny fiheverana ara-pilôzôfia ifotoran' ny asa antrôpôlôjika, ny antrôpôlôjia filôzôfika. Sekolim-pandinihana filôzôfika sy antrôpôlôjika ary sôsiôlôjika niorina tany Alemaina tamin' ny taompolo 1920 sy 1930 ity taranja ity.