Aller au contenu

Anglô-Saksôna (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Anglô-Saksôna)

Ny Anglô-Saksôna dia vondrona ara-kolontsaina nipetraka tany Angletera tamin' ny Andro Antenatenany. Izy ireo dia nanoritsoritra ny niaviany tamin' ireo mpanjanaka tonga tany Britaina Lehibe avy any Eorôpa tamin' ny taonjato faha-5. Na izany aza, ny fitenin' ny Anglô-Saksôna dia nitranga tany Britaina Lehibe. Ny maha Anglô-Saksôna dia nipoitra avy amin' ny fifaneraserana teo amin' ny vondrona maro tonga, avy amin' ny vahoaka jermanika maromaro, na teo amin' izy ireo, na tamin' ny Britanika teratany.