Angôvon'ny masoandro

Avy amin'i Wikipedia
Carte de la Radiation Solaire en Afrique

Ny angôvon'ny masoandro dia angôvo avy amin'ny tanamasoandro tonga eto an-tany.

Ny angôvon'ny masoandro eto an-tany dia mampisy ny fihodinan'ny rano, ny rivotra ary ny fôtôsentezy ataon'ireo zavamaniry mba hahafahan'ny biby miaina. Ny angôvon'ny masoandro izany dia fototry ny angôvo rehetra misy eto an-tany afatsy ny angôvo niokleary, ny jeôtermia, ary ny angôvo ara-pamonta.

Ny fizaran'ny angôvon'ny masoandro isaky ny metatra efa-mira azo amin'ny tany arakaraky ny faritany

Ny olombelona dia mampiasa ny angôvon'ny masoandro mba hamadika azy ho lasa karazan'angôvo hafa : angôvo ara-tskafo, angôvo sinetika, angôvo termika, aratra na biômasy. Ny angôvon'ny masoandro dia matetika ampiasaina mba hanonona ny aratra na ny angôvo termika azo avy aminy.

Eny amin'ny habakabaka, azo ampiasaina ny angôvon'ny voankazavana, amin'ny alàlan'ny lay ohatra.

Ny harena natoraly ny masoandro[hanova | hanova ny fango]

Ny angôvon'ny masoandro dia avy amin'ny fiempo niokleary mitranga ao anatiny. Miparitaka manerana ny tontolo izy amin'ny alàlan'ny fipariahana elektrômanetikavoankazavana

Ny angôvon'ny masoandro azo eo amin'ny faritry ny bolantany dia miankina amin'ny

  • angôvon'ny masoandro avoakan'ny Masoandro (fiovana ara-polotaona)
  • fisian-drahona (zavona, rahona sns.), lehibe eo amin'ny fehibe noho ny any amin'ny faritra anelanelan-trôpika.
  • ny laharam-pehintany, ny fotoana, ny ora mampiova ny haavon'ny Masoandro ary noho izany ny angôvo isaky ny metatra efa-mira, ary koa ny fisian-drahona any amin'ny faritra.

Amin'ny ankapobeny, ny tany dia mahazo hery 170 tapitrisa GW, 122 amin'ireo no lasany ary averiny any amin'ny habakabaka ny ambony. Noho izany, ny angôvo lanin'ny tan dia 3 850 zettajoule (1 ZJ = 1021 J) ; raha oharina amin'ny angôvo vokatra amin'ny sasany 3 ZJ no alain'ny fôtôsentezy, 2,2 ZJ no alain'ny rivotra, 0,5 ZJ no vokatry ny olombelona ary 0,06 amin'io no anjaran'ny aratra.

Ny toerana misy tanimaty, tsy dia be rahona ary eo amin'ny faritra anelanelan-trôpika, dia tsara toerana ho an'ny fakàna angôvon'ny masoandro. Ny ankabeazan'ny tanimaty dia akaikin'ny toerana mandroso mihinana angôvo ary manana ny teknika fangalana ny angôvon'ny masoandro ; noho izany any amin'ny faritra maro dia misy tetikasa mihalehibe momban'ny fanaovana aratra amin'ny alàlan'ny angôvon'ny masoandro. Ny tena lehibe amin'ireo dia bny any amin'ny tanimatin'i Mojave (Kalifôrnia), mamoaka hery 354 MW.

Fomba fakana ny angôvon'ny masoandro[hanova | hanova ny fango]

Efa misy ny fomba fakana ny singan'ny angôvon'ny masoandro ary manatsara azy foana ny orinasa ankehitriny. Amin'ny fomba fakana ny angôvon'ny masoandro, azo avahana ny masoandro pasiva, ny masoandro fôtôvôltaika ary ny masoandro termika.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.