Aller au contenu

Andriantsitakatrandriana

Avy amin'i Wikipedia
Nanitatra ny tanimbary manodidina an' Antananarivo Andriantsitakatrandriana

Andriantsitakatrandriana no mpanjakan' Imerina tamin' ny 1630 ka hatramin' ny 1650, nanjaka tamin' ny fahafatesan' Andrianjaka rainy. Teraka tamin' ny taona 1613 izy ary maty tamin' ny taona 1650. Nanambady roa izy: ny voalohany Ravololontsimitovy, izay niteraka ny zanany lahimatoa Andriantsimitoviaminandriandehibe izay nandimby azy, ary ny vadiny faharoa kosa dia Rafoloarivo izay niteraka lahy atao hoe Andriamanjakatokana. Tamin' ny fotoana nanjakany dia nandroaka ny vadiny faharoa sy ny zanany lahy hiala amin' ny tany nanjakany izy, ary nanamboatra fefiloha mba hanovana ny henihenin' i Betsimitatatra manodidina an' Antananarivo ho tanimbary midadasika hamelomana ny mponina ao an-toerana.

Ny fanjakany

[hanova | hanova ny fango]

Ny tena zava-bita tamin' ny fitondran' Andriantsitakatrandriana dia ny fanamboarana voalohany ny lemak' i Betsimitatatra ho lasa tanimbary lonaka, izay midadasika manodidina ny havoanan' Analamanga, tamin' ny alalan' ny fanamboarana fefiloha. Mandra-pahatongan' ny androny dia zozoro ihany no naniry teo amin' ny honahona manodidina an' Antananarivo, izay efa nalain-drainy tamin' ny Vazimba mponina tao, am-polony taona maro talohan' izay. Rehefa avy nodiovina ny heniheny dia nanome baiko Andriantsitakatrandriana mba hanamboarna fefiloha amin' ny farany atsimon' ny honahona akaikin' Andriantany. Ny honahona any andrefan' Antananarivo no voalohany nambolena vary. Nanohy izany asa izany ny mpitondra nifandimby taty aoriana ary nanova tsikelikely an' i Betsimitatatra manontolo ho lasa tanimbary tsy mitsaha-mitombo.

Voalazan' ny lovantsofina fa nanao tetika handroaka an-dRafoloarivo vadiny faharoa sy ny zanany lahy hiala amin' ny fanjakany Andriantsitakatrandriana, na dia tsy mazava ny fanamarinana an' izany fanapahan-klevitra izany. Araka ny lovantsofina mifangaro angano dia nangataka zavatra tsy mahazatra tamin-dRafoloarivo vadiny faharoa Andriatsitakatrandriana: nasainy nandeha tany amin' ny vohitr' Ambohitrakely hanome ny hasina ho an' ny zanany izy (izany hoe manao fombafomba izay heverina fa hampitombo ny hasin' ny zanany) — izany dia zavatra noheverina ho tsy azon' ny vehivavy atao ho an' ny lehilahy ao amin' ny fanjakana. Nisalasala momba izany fanotana fady izany ny vadin' ny mpanjaka nefa nanome toky azy ny vadiny fa ny fanahiany dia tokony ho maivana raha mitaha amin' ny finiavana lehibe hampita hasina amin' ny zanany lahimatoa. Nambaran' Andriatsitakatrandriana fa hanome valisoa ho an' ny vadiny noho ny fankatoavany izy amin' ny alalan' ny fanovana ny anaran' ny tanimbary vao vita hitondra ny anarany (Rafoloarivo) ho an' ny zanany. Nanaiky izany Rafoloarivo ka niainga ho any Ambohitrakely ka nikarakara lanonana izay nahavory ny mponina rehetra tao amin' ny tanàna kelin' i Mahatsinjo.

Raha mbola banga sy tsy nisy mpiambina i Mahatsinjo dia nodoran' Andriantsitakatrandriana an-tsokosoko ny trano trano tao. Nahatsikaritra ny afo ny vahoaka variana ka niantsoantso hoe: “Ry mpanjakavavy, jereo ity loza mahatsiravina manjo antsika ity!” Nandositra ny vahoaka romotra Rafoloarivo sy ny zanany ary nianavaratra nankany Ilafy aloha, avy eo niankandrefana sy nianatsimo nankany Mahatsinjo sy Ankosy, nefa tsy nahita olona na iray aza vonona hanoka-baravarana ho an' azy ireo. Vao maraina dia tonga teny Ambohitrinimanjaka izy ireo ka nony farany dia notoloran' ny olona fialofana. Ny zanany, izay nahatazana teny lavidavitra ny vatolampy izay nantsoin' ny mponina teny hoe Anosivato, dia nanambara ny fikasany hanohy ny diany any amin' ny toerana lavidavitra kokoa, saingy naleon' ny vadin' ny mpanjaka nijanona teny Ambohitrinimanjaka izay nandevenana an' Andriamanjakatokana. Nitsidika ny fasana ny olona teo an-toerana mba hivavaka amin' ny fanahiny isaky ny misy zavona be. Azo tsidihina eny Anosivato ny fasan' ny zanak' Andriamanjakatokana, ziay antsoina koa hoe Andriamanjakatokana.

Ny nahafatesany

[hanova | hanova ny fango]

Nodimandry tany amin' ny taona 1650 tany ho any Andriantsitakatrandriana ary nalevina tao amin' ny fasana Fitomiandalana ao amin' ny Rovan' Antananarivo. Ny zanany lahimatoa Andriantsimitoviaminandriandehibe no nandimby azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]