Aller au contenu

Andriandahifotsy

Avy amin'i Wikipedia

Andriandahifotsy dia mpanjaka sakalava tao amin' ny tarana-mpanjaka maroseraña, izay nanjaka tamin' ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-17. Andriandahifotsy no nandimby an' Andriamisara rainy ary tamin' ny alalan' ny fandreseny dia nanitatra haingana ny fahefany tamin' ny morontsiraka andrefan' i Madagasikara hatrany Manambolo izy. Nanandrana hampiray an' i Madagasikara ho eo ambany fanapahany izy, nefa tsy nahomby. Tamin' izay fotoana izay ihany koa dia nikasa ny hamindra ny renivohiny ho any Bengy ao amin' ny lohasahan' i Mangoky izy, ka nanorina ny Fanjakan' i Menabe. Taorian' ny nahafatesany dia ny zanany roa lahy Andriamanetiarivo sy Andriamandisoarivo no nandova azy ka izy ireo no nanitatra ny fahefan' ny Sakalava hatrany avaratra, tamin' ny nananganana ny Fanjakan' i Boina.

Lisitry ny mpanjakan' i Menabe

[hanova | hanova ny fango]