Andriamiseza Lucien

Avy amin'i Wikipedia

Andriamiseza Lucien dia mpitolona malagasy niady tamin'ny fanjanahantany, anisan'ireo namorona ny antoko politika PANAMA.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Ny fiaviany sy ny fianarany[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin'ny faha-13 Aprily 1913 teto Antananarivo. Zanak'Andriamiseza sy Rasoazananoro.

Nisantatra ny sekoly tao Ambohijatovo Avaratra ny taona 1920, ary nanohy tany Mantasoa. Niverina hanohy ny fianarany tao amin'ny sekoly le Myre de Vilers teto Antananarivo indray.

Ny asa nataony[hanova | hanova ny fango]

Rehefa izany, dia voaray ho mpiasam-panjakana tamin'ny taona 1933, ary notendrena ho "écrivain-interprète" tao amin'ny kabinetran'ny governora jeneraly Cayla Léon.

Nafindra toerana tany Maroantsetra ny taona 1938, ka tamin'izany, dia ireto asa ireto no nifandimby niandraiketany:

  • ho lehiben'ny biraon'ny distrika,
  • mpitsantsoratry ny Fitsarana ambaratonga voalohany,
  • mpitsantsoratry ny Conseil d'arbitrage et de l'Office du Travail.

Taona vitsy taty aoriana, dia nafindra toerana tao Toamasina ka notendrena ho mpitantsoratry Fitsarana "indigène" ambaratonga faharoa sy ho "assesseur" tao amin'ny ambaratonga voalohany tao Toamasina.

Ny raharaha 29 Martsa 1947[hanova | hanova ny fango]

Nafindra hiasa tao amin'ny «parquet»-n'i Toamasina, ary nametra-pialana tsy hiasa tamin'ny Fanjakana intsony taorian'izany, ka ny antony voalaza dia noho ny fahasalamana. Teto Antananarivo, Andriamiseza Lucien, no nipoaka ny fikomiana tamin'ny faha-29 Martsa 1947, ka ny faha-6 Aprily 1947, dia nosamborina tao Antsahabe. Notsaraina sy nohelohin'ny Fitsarana ady heloka be vava tao Toamasina ho tanana am-ponja mandritra ny 15 taona ary 10 taona tsy hahazo mandia faritany ny faha-20 ka hatramin'ny faha-27 Jona 1949. Natao sesitany tany Nosilava, ka tamin'ny taona 1956, vao nahazo famontsoran-keloka, ary dia niasa ho an'ny tenany tany Ambatolampy.

PANAMA[hanova | hanova ny fango]

Rehefa noterena hangina ny Vy Vato Sakelika (VVS), dia "tony" ivelany ihany ny toe-draharaha politika teto Madagasikara, satria, najoron'ny Tia Tanindrazana manginigina tsikelikely koa ny fikambanana miafina isan-tokony, toy ny PANAMA, na ny Patriote Nationaliste Malgache, indraindray koa nadika ho Parti Nationaliste Malgache.

Andriamiseza Lucien, niaraka tamin-dRamilijaona, mpaka sary nalaza, no namorona ny PANAMA, kanefa na izany aza dia tsy azo veroka marina ny tena vaninandro niforonan'ity antoko miafina ity.

Araka ireo vavolombelona vitsivitsy sendra anay, izay mbola ho vahinintsika eto atsy ho atsy, dia nifantoka betsaka tamin'ny ady ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny fanavotana azy no foto-kevitra sy fampielezan-kevitra novoizin'ny PANAMA sy ireo mpikambana tao anatiny. Tsy marina ihany koa hoy ireo vavolombelona ireo ny filazana fa ny vazaha-mpanjanatany no nampanangana ny PANAMA. Ankilan'izany, ny maro tamin'ireo mpikambana tao amin'ny PANAMA no mpikambana ihany koa tany amin'ny antoko na fikambanana hafa, toy ny tao amin'ny M.D.R.M., P.D.M., JINY,....

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  • Ilaitangena, nivoaka tao amin'ny Feon'ny Merina, lah. faha-163, 18 Jolay 1997.