André Resampa

Avy amin'i Wikipedia
André Resampa, Minisitry ny Atitany

I André Resampa dia mpanao pôliitika malagasy, teraka tamin' ny 24 Jona 1924 tao Mandabe (distrikan' i Mahabo) ary maty tamin' ny 17 Mey 1993 izy.

Manam-piaviana sakalava-bara izy. Nandranto ny fianarany tany Morondava. Tamin' ny taona 1952 no nahazoany ny mari-pahaizana licence amin' ny sampana Lalàna, ka nidirany tamin' ny sehatry ny pôlitika, niaraka tamin' i Philibert Tsiranana. Tamin' ny taona 1956 dia niara-nanorina ny antoko Parti social-démocrate (PSD) niaraka tamin' ity farany izy. Tamin' ny taona 1959 dia nandray anjara tamin' ny fifampidinihana momba ny fahaleovantenan' i Madagasikara izy.

Nisahana ny andraikitry ny minisitry ny Atitany sy ny sekretera jeneralin' ny PSD izy ka olona matanjaka teo amin' ny fitondran' i Tsiranana, ary mpitarika ny PSD. Izy no nandrasana handimby ny filoha, indrindra fa tamin' ny naha filoha lefitra voalohany azy tamin' ny taona 1970. Tamin' ny taona 1971 anefa dia nesorin' i Tsiranana teo amin' ny fitondrana ary nosamborina avy eo noho ny fiampanhgana azy ho nanohintohina ny "filaminan' ny firenena", sy noho ny firaisana tsikimbakomba izay fantatra taty aoriana fa tsy nisy.

Rehefa navoaka taorian' ny volana Mey 1973, izay nampirodana ny fitondrana Tsiranana, izy, dia nanangana ny Union socialiste malgache (USM) izay nikambana tao amin' ny Internationale socialiste. Avy eo, taorian' ny fampihavanana azy tamin' i Tsiranana dia nanangana ny antoko Parti socialiste malgache (fitambaran' ny PSD sy ny USM) izy tamin' ny taona 1974. Voampanga ho nandray anjara tamin' ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin' ny volana Desambra 1974 izy ary avy eo voampana tamin' ny famonoana ny filoha Ratsimandrava tamin' ny Febroary 1975. Tsy nisy tohiny moa ity raharaha ity.

Tamin' ny taona 1983 dia niditra tao amin' ny antoko Vonjy izy, izay fisarahan' ny PSD niforona tamin' ny 2 Marsa 1973, izay lasa fironana iray ao amin' ny antoko tokana Front national pour la défense de la Révolution (FNDR) nanomboka tamin' ny taona 1975 ka hatramin' ny 1992. Lasa mpikambana tao amin' ny Antenimieram-pirenena izy avy eo. Maty tamin' ny 17 Mey 1993 izy teo amin' ny faha-68 taonany.