Aller au contenu

Andohalambo

Avy amin'i Wikipedia
Andohalambo

Ny andohalambo dia rafitra mitsangana na mandry mibiloka hoatry ny tsipìka. Atao hahazaka vesatra eo amboniny na ho fanaingoana fotsiny ny andohalambo. Efa nisy nanomboka tamin' ny taonarivo fahefatra tal JK ny andohalambo, fa tsy nalaza raha tsy taorian' ny nampiasan' ny Rômana azy tamin' ny taonjato faha-4 tal JK.

Mety ho mandry ny rafitra miendrika andohalambo, toy ny tohodrano miendrika andohalambo izay mahatohitra ny tsindry marindranon' ny rano.

Nihena ny fampiasana ny andohalambo amin' ny fanorenana tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19 tamin' ny fampidirana ny vy (sy ny tsỳ taty aoriana) noho ny halehiben' ny fahatoherana sintona ananan' ireo akora vaovao ireo.