Ambohidrano Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia

Ambohidrano dia vohitra eo avaratra andrefan’ i Fiaferana-Andrianamboninolona. Nisy maromaro ireo zafikely sy zafiafin’ Andriamasinavalona no nomeny vodivona tany amin’ iny faritra iny dia Andriantompombe tao Ambihidalôna, Rampianala tao Ambatomalaza, Ramarohasina tao Ambohitrakely, ary Ramambahasina nifidy an’Ambohidrano. Taranaka avy amin-dRamambahasina ilay andriandahy nalaza tao natao hoe Andriamasina. Ny raharaha isan’ ny nampalaza ny andriamasinavalona avy ao Ambohidrano atsinanana dia ny mitsara «  manozon-doha amin’ ny fampinomana tangena ».

Ny loharano ao Ambohidrano no fisotron’ ny andriamanjaka aty Antananarivo, noho ny hatsarany fa madio, mamy, mangatsiatsiaka. Misy zohy eo ambany atsimon’ny vohitra, fieren’ny kristianina tamin’ny « Tany maizina ».