Alexios I Komnenos

Avy amin'i Wikipedia
Alexios I Komnenos

I Alexios I Komnenos dia emperora bizantina nanomboka tamin' ny taona 1081 ka hatramin' ny 1118. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἀλέξιος Κομνηνός / Alexios Komênos. Teraka tamin' ny taona 1057 izy ary maty tamin' ny 15 Aogositra 1118.

Na dia tsy izy aza no emperora voalohany tao amin' ny dinastia kômneniana dia tamin' ny fotoana nanjakany no nahazoan' ny fianakaviana Komnenos fahefana feno ary nanomboka ny fandimbiasana ny seza fiandrianana. Nandova empira nirodana sy niatrika ady tsy tapaka tamin' ny Tiorka seljokida tany Azia Minora sy ny Nôrmana any amin' ny faritra andrefan' i Balkana nandritra ny fotoana nanjakany i Alexios nefa afaka nanakana ny fitontongan' ny Empira Bizantina ary nanomboka ny fanarenana ara-tafika sy ara-bola ary ara-pari-tany izay fantatra amin' ny anarana hoe "Famerenana amin' ny laoniny Komneniana".

Ny fiangaviany tany Eorôpa Andrefana mba hahazoana fanampiana hiadiana amin' ny Tiorka no nahatonga ny Kroazada voalohany.