Aleksandra avy any Aleksandria

Avy amin'i Wikipedia
Aleksandra any Aleksandria

I Aleksandra avy any Aleksandria na Masindahy Aleksandra, izay patriarkan' i Aleksandria teo anelanelan' ny taona 313 sy 326 (na 328), dia teraka tamin' ny taona 250 izy ary maty tamin' ny 17 Avrily 326 (na 328). Izy no nandimby an' i Akilasy avy any Aleksandria tamin' ny taona 313. I Aleksandra I avy any Aleksandria no papa faha-19. Nandritra ny naha patriarika azy dia niatrika olana maromaro ny Fiangonana. Anisan' izany ny datin' ny Paska sy ny fihetsik' i Meletiôsy avy any Likôpôlisy ary ny olana lehibe indrindra, dia ny arianisma. Izy no mpitarika ny fanoherana ny arianisma tao amin' ny Kônsily Voalohany tao Nikea. Izy koa no nanoro an' i Atanasiôsy avy any Aleksandria, mpandimby azy, izay ho lasa iray amin' ny Rain' ny Fiangonana. Ankalazaina isaky ny 29 Mey any Atsinanana ary isaky ny 26 Febroary any Andrefana ny fetiny.