Aller au contenu

Akoran-damba

Avy amin'i Wikipedia
Lamba

Ny akoran-damba dia akora mifototra amin' ny tsiraka isan-karazany, ao anatin' izany ny tsiraka, ny kofehy, karazana lamba samihafa, sns. Amin' ny voalohany, noho izany dia manondro akora azo zaraina ho tsiraka na kofehy, toy ny landihazo, ny rongony, ny rongonimbazaha, volon' ondry (lamba ôrganika) na vatosiraka (lamba mineraly), avy eo miaraka amin' ny fahitana teknika vaovao, tsiraka sintetika. Ny asa fanasarahana ny tsiraka amin' ny akora fanamboarana lamba dia antsoina hoe famolesana.

Tsy ny fanenomana ihany anefa no fomba fanamboarana, ary fomba maro hafa no novolavolaina taty aoriana mba hamoronana lamba mifototra amin' ny fampiasana kendrena aminy. Ankehitriny, ny akoran-damba dia manome fahafaham-po ny filana ho an' ny fampiharana maro samihafa, manomboka amin' ny fitafiana tsotra fabao isan' andro ka hatramin' ny akanjo tsy laitram-bala, fitafiana ana habakabaka ary ny fitafian' ny dokotera.

Ny akoran-damba dia mizara ho vondrona roa: akoran-damba fanjifa ho an' ny fampisa an-trano sy akoran-daùba ho an' ny fampiharana teknika. Amin' ny akoran-damba fanjifa dia ny hakanto sy ny hafinaritra no tena zava-dehibe, raha amin' ny akoran-damba ara-teknika kosa, ny toetrany araka ny fampiasana azy no laharam-pahamehana.

Ny akoran-damba hakasika amin' ny tany, ny akoran-damba indostrialy, akoran-damba ilaina amin' ny fitsaboana, ary sehatra maro hafa dia ohatra amin' ny akoran-damba ara-teknika, fa ny fitafiana sy ny fanaka dia ohatra amin' ny akoran-damba fanjifa. Ny singa tsirairay ao amin' ny vokatra avy amin' ny akoran-damba, anisan' izany ny tsiraka, ny kofehy, ny lamba, ny fanodinana ary ny famaranana, dia misy fiantraikany amin' ny vokatra farany. Ny singa ampiasaina dia mety miovaova arakaraka ny vokatra satria izy ireo dia fantenana araka ny fifanandrifiany amin' ny fampiasana azy.

Ny tsiraka no singa kely indrindra amin' ny lamba; ny tsiraka dia matetika avadika ho kofehy, ary ny kofehy dia ampiasaina amin' ny fanamboarana lamba. Ny tsiraka dia manana endrika mitovy amin' ny volo ary lehibe dia lehibe ny tahan' ny halavany amin' ny sakany. Ny loharanon' ny tsiraka dia mety ho voajanahary, sentetika, na izy roa. Misy ny teknika manova mivantana ny tsiraka ho lasa lamba. Amin' ny toe-javatra hafa, ny kofehy dia kirakiraina amin' ny fomba samihafa mba hamokarana lamba isan-karazany. Ny kofehy dia ampiasaina amin' ny fanaovana karazana lamba amin' ny alalan' ny fanenomana, fanenomana, fanaovana ba, peta-kofehy, korise, famonaba, na fandrandranana. Aorian' ny famokarana lamba, ny lamba dia karakaraina sy vitaina mba hanomezana lanja azy, toy ny hakanto, ny toetra azo tsapain-tanana ary ny fitomboan' ny fampiasana azy mahasoa. Ny famokarana lamba no zavakanto indostrialy tranainy indrindra. Ny fandokoana sy ny fanontana pirinty ary ny petakofehy dia samy hafa karazana zavakanto fanaingoana ampiasaina amin' ny akora lamba.