Aller au contenu

Ahriman

Avy amin'i Wikipedia

I Ahriman na Angra Mainyu na Ahra Manyu dia fanahin-demony manohitra ny andriamanitra Ahura Mazda ao amin' ny zôrôastrisma.

Tamin' ny voalohany i Ahura Mazda (na Ohrmazd ao amin' ny fiteny pehlevy), amin' ny maha Andriamanitra fara tampony azy, dia namorona fanahy roa izay hifanohitra, dai i Spenta Mainyu (fanahin' ny Tsara, fanahy masina) sy i Angra Mainyu (fanahin' ny Ratsy). Taty aoriana dia nosoloin' i Ahura Mazda ho mpifanandrina amin' i Ahriman i Spenta Mainyu.

Any aoriana any, ny magy zervanista dia nampiditra indray Andriamanitra fara tampony, dia i Zervan, ilay Fotoana tsy misy fetra. Lazaina fa i Ahriman no tompon' andraikitra amin' ny famoronana ara-materialy, izy no rain' ny fahadisoam-pahitana sy ny fahadisoana, ny lainga kôsmika, ny fanahy mpamitaka, ny fanahin' ny Haizina, ny Ratsy sy ny fahafatesana.