Adnan

Avy amin'i Wikipedia

I Adnan (amin' ny teny arabo: عَدْنَان / `Adnan) dia, araka ny tetiaran' i Mohamady nofaritan' i Ibn al-Kalbi tamin' ny taona 800, razamben' ny Arabo tavaratra (musta'ribah na al-Adnani). Ity anarana ity dia fantatra ao amin' ny soratsokitra roa nabateana sy tamodika saingy tsy hita ao amin' ny tononkalo talohan' ny silamo. Tena tsy fahita firy koa izany amin' ny literatiora mozilmana tamin' ny Andro Taloha. Ho an' i Caskel, io anarana io dia manana fiaviana talohan' ny silamo.

I Adnan dia teraka tamin' ny taona 122 tal. J.K. ary zanak' i Udud, taranak' i izay Nebaioth zanak' i Ismaela, noho izany zafikelin' i Ibrahim (Abrahama)

Hazon-tetiarana[hanova | hanova ny fango]

  • -122 – Adnân (عدنان بن أد)
  • -89 – Ma'ad (معد)
  • -56 – Nizar (نزار)
  • -23 – Mudar (مضر)
  •  10 – Ilyâs (إلياس)
  •  43 – Mudrika (مدركة)
  •  76 – Khuzayma (خزيمة)
  • 109 – Kinâna (كنانة)
  • 142 – Al-Nadr (النضر)
  • 175 – Malik (مالك)
  • 208 – Fihr (فهر (na Quraych))
  • 241 – Ghalib (غالب)
  • 274 – Lou'ay (لؤي)
  • 307 – Ka`b (كعب)
  • 340 – Murra (مرة)
  • 373 – Kilab (كلاب)
  • 406 – Qusay (قصي)
  • 439 – Abd Manâf (عبد مناف)
  • 472 – Hâchim (هاشم)
  • 505 – Abd al-Muttalib (عبد المطلب)
  • 538 – Abdullah (عبد الله)
  • 570 – Mohamady (محمد)