Abu Dawud al-Sijistani

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Abu Dawud)

I Abu Dawud al-Sijistani dia mpanangona hadita teraka tao Sijistān any Iràna ankehitriny. Izy no mpanoratra ny iray amin' ireo angona hadita enina malaza ao amin' ny sonisma, ny Sunan Abī Dāwud. Teraka tamin' ny taona 817 izy ary maty tamin' ny taona 888. Ny anarany feno dia Abū Dāwud Sulaymān ibn al-Ash‘ath ibn Bashīr al-Azadī al-Sijistānī (arabo: أبو داود سليمان بن الأشعث الأزدي السجستاني).

Avy amin' ny fokom-pirenena lehibe Azd ao Iemena izy, ary teraka tao Sistan (Sistan na Sakastan, atsimo atsinanan' i Iràna ary atsimon' i Afganistàna) tamin' ny taona 817. Nikatsaka ny siansa momba ny fivavahana silamo izy ka nandeha tany Iràka, Ejipta, Siria, Arabia, Khorasan, Nishapur ary any Merv, ary voalaza fa nanangona hadita maro avy amin' ny manam-pahaizana lehibe indrindra, ary nalaza ho nanam-pahalalana sy ny tia vavaka.

Tena liana tamin' ny lalàna izy koa vokatr' izany dia mifantoka indrindra amin' ny hadita momba ny lalàna ny fanangonana nataony. Avy amin' ny hadita 50 000 eo ho eo no nifantenany hadita 4 800, izay nampidirina tao amin' ny sangan asany Sunan Abī Dāwud, izay mifototra amin' ny fisedrana fitokisana ambony kokoa - araka ny lovantsofina sonita. Nanoratra boky manodidina ny 21 tamin' ny fitambarany izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]