Wikipedia:Takelaka/Tahiry 2009

Avy amin'i Wikipedia

Janoary 2009

Wikipedia:Takelaka/1 2009

Febroary 2009

Wikipedia:Takelaka/2 2009

Martsa 2009

Wikipedia:Takelaka/3 2009

Aprily 2009

Nosy n'i Madagasikara
Nosy n'i Madagasikara

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy; na koa Repoblika malagasy taloha) dia firenena na tany (fitambarana nosy) eo amin'ny Ranomasimbe Indianina. Madagasikara dia Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina . vakio ilay takelaka

Mey 2009

Ny WikiNi dia rindrankajy malalaka wiki anankiray fehezin'ny lisansy BSD manome fomba tsotra, mahomby sy haingana ahafahana mamorona sy mitantana sehatra iray amin'ny tranonkala na amina tranonkala anatina orinasa iray. Maimaim-poana izy sady azo ovaina sy zaraina arak'io lisansy mifehy azy io ihany koa.

Fisampanana iray avy tamin'ilay rindrankajy wiki WakkaWiki i WikiNi. Ny taona 2002 no nanomboka nisy izy, ary i Charles Nepote no namorona azy, miampy an'i David Delon sy Patrick Paul. Anisan'ny mampiavaka azy amin'ireo sampan'i WakkaWiki hafa, noho izy Frantsay ny mpamolavola azy, dia amin'ny fiteny frantsay ihany koa ny interface ampiasàna azy.

Vakio ilay takelaka

Jiona 2009

Ny Alemaina na Repoblika federaly ny Alemaina anatin'ny fampiasana ofisialy, dia firenena ny Eoropa andrefanana. Mikitikan'ny Ranomasina Avaratra izy, mizara sisintany miarak'amin'ny Danmarka, ny Polonia, ny Repoblika Tseky, ny Olandy, ny Belzika, ny Frantsa, ny Soisa, sy ny Aotrisy.

Tamin'ny andro taloha, nanana silaka maro ny Alemaina, manana fahaleovantena na tsy manana fahaleovantena. Tao anatin'ny Empira Jermanika Masina ny Alemaina tamin'ny 962 hatramin'ny 1806, tao anatin'ny Konfederasiona Jermanika izy tamin'ny 1814 hatramin'ny 1866.

vakio ilay takelaka

Jolay 2009

MediaWiki dia rindrankajy wiki iray manana ny lisansy GNU General Public License na GPL. Nosoratana tamin'ny PHP ary mitaky banky angona MySQL. Tany am-boalohany dia ho an'i Wikipedia, raki-pahalalàna malalaka mampiasa wiki, no namoronana azy, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin'ny mpampiasa wiki indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an'ny Wikimedia Foundation, ny wiki rehetra ao amin'i Wikia, ary wiki ngeza maro no mampiasa azy. Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony CMS. Iray hosinganina amin'ireny i Novell.


Aogositra 2009

Sary:Mmagini 050.jpg

Ny vola dia vita amin'ny taratasy na metaly atontan'ny fanjakana, ary manan-kery ao amin'io tany io mba ho sandan'ny entana vidiana. Ny fanjakan'ny tany tsirairay avy dia manamarika ny volany amin'ny sary sy soratra mba hampiavaka azy ireo.

Manana ny anjara toerany lehibe eo amin'ny firenena iray ny vola. Vakio ilay takelaka


Ny Repoblikan'i Kipra dia firenena mpikambana amin'ny Firaisana Eoropeanina arỳ antsinananan'ny Ranomasina Mediteranea.

Tamin'ny taona 1974, ilay silaka avaratran'ilay nosy eo avelan'ny tsipika maintso, lasan'ny torkia sy teneniny hoe an'azy. Lasa Repoblika afa io amban'ny anarana Repoblika Torkan'i Kipra Avaratra. Nihiditra tao anatin'ny faritra Euro ny Kipra tamin'ny 1 Janoary 2008. vakio ilay takelaka


Septambra 2009

Sary:Uncyclopedia logo.png

Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky. Hala-tahaka an'i Wikipedia izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wikipedia no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wikipedia.

Ny lahatsoratra hita ao amin'i Uncyclopedia dia mifanohitra amin'izay fantatry ny daholobe, kidaladala matetika, ary tsy misy ifandraisany firy na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tena zava-misy marina.

Ohatra, ny lahatsoratra algorithme dia manazava io teny io hoe « antony (rythme) mampandihy an'i Al Gore ». Ny lahatsoratra momba an'i Al Gore dia milaza fa tsy mbola afaka aseho io pejy io, ary tokony hamerina hamorona ny Internet i Al Gore.

vakio ilay takelaka


Oktobra 2009

Vary
Vary

Ny vary no foto-tsakafon'ny Malagasy sy mponina hafa maro eto ambonin'ny tany, indrindra eto Afrika sy ao Azia.

Zava-maniry ambolena ny vary, na eny an-tanimbary mando mandavan-taona, na volena maina an-tanety. Ny vary no céréale mitana ny laharana faharoa eto an-tany amin'ny voly ho sakafon'olombelona, aorian'ny katsaka, raha ny taonina vokarina no resahina. Fototra amin'ny nahandro malagasy, aziatika sy indianina izy. Mamboly vary ihany koa ny firenena sasantsasany ao Eoropa toa an'i Italia, Espaina, Rosia, Gresy, Portiogaly, Frantsa, Okrainina sy Biolgaria.

Ahitana karazany maro arakaraka ny habeny, lokony, tsirony ny vary. Maro koa ny fomba afaka ahandroana azy. Ho an'ny Malagasy dia ny vary maina sy ny vary sosoa no ampifandimbiasina, fa ny firenena hafa dia manao azy ho paty na lasopy na atao tsindrin-tsakafo koa aza (vary amin-dronono)...


Novambra 2009

Sainan'i Frantsa
Sainan'i Frantsa

Frantsa, na République Française (Repoblika Frantsay) (repyblik frɑ̃sɛz) dia firenena any Eoropa andrefana.

Ny Frantsa ny firenena antitra indrindra ao eoropa, ary ny renivohiny dia Paris. Raha ampidirintsika ao ny Territoires d'outre-mer, sy ny Départements d'outre-mer (zanatany), misy eo amin'ny 675.417 km2 ny fivelaran'ny firenena frantsay.

65,1 tapitrisa ny isa-mponina-ny araka ny lazain'ny census tamin'ny 1 Janoary 2009

Ny fiteny frantsay ny tenim-pirenenan'i Repoblika Frantsay. Misy teny 77 hafa koa no misy ao Frantsa. Ny frantsa ny firenena tena be mpiteny frantsay indrindra eto an-tany, ny faharoa manaraka aorian'ny Repoblika Demôkratikan'i Kongo (Afrika). Katôlika ny 64% ny frantsay, fa betsaka ihany ny katôlika miseho hoe agnôstika. Ary tsy miino ny 32% ny frantsay.

I frantsa dia firenena mikambana amin'ny Conseil de l'Europe ary izy no isa ny firenena namorona ny Vondrona Eoropeanina. Firenena mikambana anatin'ny faritra Euro sy Espace Schengen izy. Amin'ny toetr'izao tontolo izao, firenena mikambana anatin'ny G8 ny G20, ary ny NATO (OTAN) izy (tamin'ny taona 2009).Vakio ilay takelaka


Desambra 2009

Tany mitana ambon'ny sous-condinent indianina ny India (repoblikan'i India)

Ilay anaran'ilay firenena "India" dia avy any amin'ny fitongilanan'ny teny Persana Sindhu, ilay anaran'ilay renirano Indus amin'ny fiteny Sanskrity. Ny soratra ofisialy dia mampiasa ny teny Bharat (mpanjaka hindoa niaina tamin'ny taona taloha). Ny anarana faha telo : Hindustan ("tan'ny hindoa" amin'ny fiteny persana) niasa hatramin'ny taona ny Empira Môgôly, ilay teny Hindustan no tena miasa indrindra ankehitriny rehefa manono ny India.

Tany tena be mponina indrindra ny India ao arinan'ny Sina, misy teny ofisialy 23 izy, fa ny teny nasionaly dia ny teny Hindi.

Misy 7.000 kilometatra ny alavan'ilay lafin-dranomasina indianina. Mizara sisin-tany miarak'amin'ny Pakistana izy arỳ andrefana, ny Nepaly, Ny Botana sy ny Sina arỳ avaratra sy ny Bangladesy arỳ antsinanana.


Sainan'i Akadia
Sainan'i Akadia

Ny akadia, tenenina ihany koa hoe Nouvelle Acadie na Akadia Contemporaine (Akadia ankehitriny) dia tany any amerika avaratra tsy manana sisin-tany mazava. Ara-kolontsaina sy ara-tantara ny akadia.

Any amin'ny mpanjanatany eoropeanina nipetraka tany Akadia (taloha) noforonina tamin'ny 1604 ny Akadianina ankehitriny. Zanatany frantsay ny akadia tamin'ny 1604 hatramin'ny 1713, teo amin'io daty io ny Akadia no lasa zanatany Anglisy. Noroahana daholo ny akadianina tamin'ny Grand Dérangement tamin'ny 1755 hatramin'ny 1763, nampanjavona any Akadia taloha io epizôda io.