Uncyclopedia

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Sary famantarana an'i Uncyclopedia : ovy mitondra ny anarana hoe Sophia, mamazivazy ny sary famantarana an'i Wikipedia.

Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky. Hala-tahaka an'i Wikipedia izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wikipedia no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wikipedia.

Votoatiny[hanova | hanova ny fango]

Ny lahatsoratra hita ao amin'i Uncyclopedia dia mifanohitra amin'izay fantatry ny daholobe, kidaladala matetika, ary tsy misy ifandraisany firy na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tena zava-misy marina.

Ohatra, ny lahatsoratra algorithme dia manazava io teny io hoe « antony (rythme) mampandihy an'i Al Gore ». Ny lahatsoratra momba an'i Al Gore dia milaza fa tsy mbola afaka aseho io pejy io, ary tokony hamerina hamorona ny Internet i Al Gore.

Kitoatoa ny famaritana ny jeografia, tandrametaka ny fametrahana ny tanàna sy firenena : ny lahatsoratra Saxe ohatra dia mamaritra azy ho « Tanàna lehibe ao Frantsa andrefana akaikin'ny morontsirak'i Espaina ». I Billy Ocean ohatra dia anisan'ireo bambandrano (océan) lehibe indrindra eran-tany.

Vazivazy fahita matetika ny famoronana fitenin'olona iray, amin'ny endriny mitovitovy amin'ny fiteny fanaony, na amin'ny endrika hafa mihitsy.

Lohahevitra hafa fahita matetika :

  • Filazàna ny lalànan'ny siansa na matematika ho fitaka, ary fanomezan-danja ny finoana tsy ara-tsiantifika.
  • Fampifanarahana endrika ara-tantara malaza anankiray amina tantara na hevitra tsy mifanaraka amin'ny vanim-potoana niainany, amin'ny alàlan'ny filazana zavatra noforomporonina fa tsy nokarohina.
  • Fampifanoloana ny mombamomba ny mpilalao sarimihetsika anankiray amin'ny tontolon'ny tantara nolalaoviny (ohatra: Mark Hamill dia Jedi anankiray).
  • Famaritana ny mpilalao sarimihetsika na mpanakanto ho olona manam-pahefana sy lanja lehibe eo amin'ny fiaraha-monina, ary fanomezana andraikitra tsotsotra kosa ho an'ireo mpanao politika, filôzôfa sy siantifika.
  • Fampifanovana zavatra roa mitovitovy anarana.
  • Filazana daty sy vanim-potoana tsy marina, anisan'izany ny daty tsy mbola nitranga.
  • Famindran-toerana ny zavatra tena nisy any amin'ny toerana hafahafa, noforonina na adaladala mihitsy. « Ny NBC ohatra dia lazainy fa avy any amin'ny Tendron-tany avaratra no mandefa ny fandaharany ».
  • Fanehoana lahatsoratra toy ny lahatsoratra raki-pahalalana, izay mivoana tampoka manjary lasa fanamarihana na tsikera.
  • Famoronana firenena, tanàna sy kaontinanta izay tsy nisy mihitsy, toy ny kaontinanta iray mahafaty antsoina hoe Euthanasie.
  • Filazana zavatra izay tena misy marina ho lainga na vazivazy na hosoka na fanambakana, ary miverina amin'ny lahatsoratra maromaro izany filazana izany.
  • Fanovana olo-malaza ara-tantara anankiray ho olona maro samihafa (Jesoa Kristy ohatra dia fitambaran'i

Jesoa Original, Jesoa Zazakely sy Ultra Jesus mba hanampy ny tetika ara-barotry ny Fiangonana).

  • Fanasokajiana tsy mifanaraka amin'ny zava-misy marina. Ohatra : sokajin'olona ahiahiana ho mpiray tetika amina fikomiana goavana, lisitra lavabe ahitana ireo ahiahiana ho namono ny filoha amerikanina Kennedy.

Renipejy[hanova | hanova ny fango]

Anisan'ireo toerana manan-danja indrindra ny Renipejy. Nanjary fomba mahazatra teo ny mankalaza zava-mitranga maro (izay noforonina ny sasany). Ohatra amin'izany :

  • 14 febroary : Amin'ny Saint-Valentin dia lasa Emopédia aloha i Uncyclopedia ; miloko mainty ny pejy ary maneho lohahevitra maimbo .
  • 4 Jolay : Hita amin'io ny Uncyclopedia « simple » na UScyclopédia miloko mena-fotsy-manga, natokana ho an'ny Amerikanina.
  • 30 Jolay 2005 : « Andro iraisam-pirenena ho an'ny pejy fotsy », nahitana ny ankamaroan'ny pejy nolokoina fotsy mba hanafenana ny votoatiny, sahala amin'ny fahatsiarovana ny teknika fisomparana teto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny famafana pejy.
  • 1 aogositra : « Androm-pirenena soisa ho an'ny Fahaleovan-tena » ; ampiasàna ny renipejy soisa miaraka amin'ny lohahevitra tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa / ara-bola.

Ny Renipejy ihany koa no sehatra ahitana ny "sary ankehitriny" izay sary manala azy, ary iantsoana ny mpandray anjara hanao fifidianana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny volana janoary 2005 no nanomboka nisy ny Uncyclopedia, ary i Jonathan Huang (Chronarion) no isan'ny namorona azy. Tsy miankina amin'ny tetikasa Wikipedia izy, ary ny antony namoronana azy dia maro ireo lahatsoratra sy ampahan-dahatsoratra tao amin'i Wikipedia izay nangatahina hoesorina noho ny tsi-fahamatorany, nefa tsy tiana ho very tanteraka na dia izany aza fa mba havondrona anaty toerana anankiray. Marihina anefa fa tsy nampiasaina hanaovana dokambarotra azy mihitsy i Wikipedia kanefa nanjary toerana fametrahana ampahan-dahatsoratra mahatsikaiky momba ny lohahevitra maro samihafa izy.

Vetivety dia tsy nahazaka ny habeny intsony ny sehatra niantranoany, ary nanambara i Uncyclopedia tamin'ny 26 mey 2005 fa hifindra ao amin'i Wikia, ary ny 10 jiona 2006 dia nafindra lasa ho i Wikia, Inc no tompon'ny faritra uncyclopedia.org fa tsy i Chronarion intsony. Ny lisansy Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 no mifehy ny votoatiny, ary afaka alaina maimaim-poana ny banky angona itahirizana izany. Nahatratra 17.000 no isan'ny lahatsoratra tamin'ny Uncyclopedia amin'ny fiteny anglisy tamin'ny volana Jolay 2006, ary lasa isan'ireo sehatra ngeza indrindra ao amin'i Wikia izy.[1]

MediaWiki[hanova | hanova ny fango]

Mba hahalafatra ny fandikana vilana an'i Wikipedia, dia mampiasa ny rindrankajy MediaWiki ihany koa i Uncyclopedia. Niforona koa ny tetikasa rahavavy sy ny endrika maro : Uncyclomedia Foundation[1] (Wikimedia Foundation), UnNews[2] (Wikinews), Unquotable[3] (Wikiquote), Undictionary[4] (Wiktionary), UnBooks[5] (WikiBooks), UnMeta[6] (Meta-Wiki), UnSource[7] (Wikisource), UnSpecies[8] (Wikispecies), ary UnCommons / Uncyclomedia Commons[9] (Wikimedia Commons).

Dikan-teny (Babel)[hanova | hanova ny fango]

Ity no lisitry ny Uncyclopedia amin'ny tenim-pirenena samihafa tamin'ny volana Jolay 2006:

La tour de Babel Uncyclopædienne:
ar: العربية بيضيپيديا
ca: Català Valenciclopèdia
cs: Česky Necyklopedie
da: Dansk Spademanns Leksikon
de: Deutsch Uncyclopedia.de
el: Ελληνικά Ανεγκυκλοπαίδεια
en: English Uncyclopedia
es: Español Inciclopedia
fa: فارسی (Persian) نانشنامه
fi: Suomi Hikipedia
fr: Français Désencyclopédie
he: עברית איןציקלופדיה
hu: Magyar Unciklopédia
it: Italiano Nonciclopedia
ja: 日本語 アンサイクロペディア
la: Latina Necyclopædia
mg: Malagasy Hatsiklopedia
nl: Nederlands Onziclopedie
no: Norsk Ikkepedia
pl: Polski Nonsensopedia
pt: Português Desciclopédia
ru: Русский Абсурдопедия
sv: Svenska Psyklopedin
zh-tw: 中文(正體) 偽基百科
zh: 中文 伪基百科
meta: UnMeta Uncyclomedia Foundation
info: Babel (lisitra)

Ny somonga sy ny vazivazy dia tsy mitovy arakaraky ny tenim-pirenena. Ny olona sy lahatsoratra iantefan'izy ireny koa dia samy manana ny azy.

Torak'izany koa ny lalaon-teny izay tsy ho voadika amin'ny tenim-pirenena hafa.

References[hanova | hanova ny fango]

  1. Uncyclomedia Foundation. Retrieved on 2006-07-18.
  2. Erreur de référence : Balise <ref> incorrecte ; aucun texte n’a été fourni pour les références nommées unnews.
  3. Unquotable. (Wiki) Uncyclopedia. Retrieved on 2006-07-18.
  4. Erreur de référence : Balise <ref> incorrecte ; aucun texte n’a été fourni pour les références nommées undictionary.
  5. UnBooks - Uncyclopedia. (Wiki) Uncyclopedia. Retrieved on 2006-07-18.
  6. UnMeta. Retrieved on 2006-07-18.
  7. UnSource. Retrieved on 2006-07-20.
  8. UnSpecies. Retrieved on 2006-07-20.
  9. UnCommons. Retrieved on 2006-07-18.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]