Wikia

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana an'i Wikia, nalaina avy tamin'ilay sary famantarana ho an'i Wikicities fahizany, izay nataon'i Christoph Struber.
Sary:Logo wikicities 2.jpg
Sary famantarana an'i Wikicities, niangalian'i Christoph Struber.
Sary:Wikicities.png
Sary famantarana an'i Wikicities nataon'i Jason Richey.

Wikia[hanova | hanova ny fango]

Wikia (izay nitondra ny anarana hoe Wikicities tany aloha) dia sehatra mampiantrano tetikasa wiki maro noforonin'i Jimmy Wales sy Angela Beesley tamin'ny taona 2004. Fitambarana tetikasa wiki marobe izay mampiasa rindrankajy MediaWiki izy io, ary ny orinasa Wikia, Inc. no mitantana azy. Maimaim-poana izy ho an'ny mpamaky sy mpitsidika, fa dokambarotra kosa no anangonany vola, koa hita amin'ny ankamaroan'ireo wiki ao araka izany ny AdSense.

Malalaka ny sehatra ahafahana manokatra tetikasa wiki vaovao ao amin'i Wikia. Ankoatry ny hevitra hamorona tetikasa mety hifaninana amin'izay efa iantsorohan'ny Tetikasa Wikimedia, izay ananan'ny mpamorona an'i Wikia fifandraisana lehibe tokoa, dia azo ekena avokoa ny ankabeazan'ny tetikasa misy mikasa hamorona. Takian'i Wikia hofehezin'ny lisansy GNU Free Documentation License (GFDL) avokoa ny tetikasa rehetra ao anatiny, na fehezina lisansy roa na maromaro ka GFDL ny anankiray ary lisansy malalaka ihany koa ny hafa. Mifandray akaiky amin'i Wikipedia ihany koa i Wikia, ka mirohy amin'i Wikipedia ny sasany amin'ny lahatsoratra ao amin'i Wikia.

Iray amin'ireo tetikasa lehibe hita ao amin'i Wikia i Uncyclopedia, ary hatramin'ny 20 aogositra 2006, dia efa nisokatra ihany koa ny Uncyclopedia amin'ny teny malagasy : http://hatsiklo.pedia.ws .

Mampiasa ny rindrankajy MediaWiki amin'ny serveur Linux i Wikia. Ny 3 febroary 2005 dia nilaza i Wikia fa feno 100 no isan'ireo tetikasa ao anatiny. Ny volana aogositra 2006 dia niisa 1500 ireo wiki ireo, ary hita amin'ny tenim-pirenena 35. Manome fanohanana ara-teknika sy ara-tsosialy momba ny fametrahana mpiserasera wiki ihany koa i Wikia.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny 27 martsa 2006 dia niova anarana ho lasa Wikia i WikiCities; nampifangaroin'ny maro mantsy ny anarana ho WikiCities ka noheverina fa sehatra ahitana torolàlana momba ny tanàna maro.[1] Taorian'izay, nanambara i Wikia fa nahazo 4 tapitrisa dolara amerikanina avy amin'ny mpamatsy vola.[2]

Nisy tetikasa atao hoe Wikiasari nikasan'i Wales hanaovana moteur de recherche iray koa izay efa nantsoina hoe Wikia.

References[hanova | hanova ny fango]

  1. Beesley, Angela (March 27, 2006). "Lasa Wikia i WikiCities". Wikia. Archived from the original on 2009-06-27. Retrieved July 15. {{cite web}}: Check date values in: |accessdate= (help); Unknown parameter |accessyear= ignored (|access-date= suggested) (help)
  2. Hinman, Michael (March 10, 2006). "Venture capitalists invest wiki-millions". Tampa Bay Business Journal. Retrieved March 10. {{cite web}}: Check date values in: |accessdate= (help); Unknown parameter |accessyear= ignored (|access-date= suggested) (help)

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Fampahalalam-baovao[hanova | hanova ny fango]