Vola

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Vola taratasy sy vola madinika.

Ny vola dia vita amin'ny taratasy na metaly atontan'ny fanjakana, ary manan-kery ao amin'io tany io mba ho sandan'ny entana vidiana. Ny fanjakan'ny tany tsirairay avy dia manamarika ny volany amin'ny sary sy soratra mba hampiavaka azy ireo.

Manana ny anjara toerany lehibe eo amin'ny firenena iray ny vola.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny andro taloha, rehefa mividy na mivarotra, dia tsy maintsy manakalo ilay zavatra vidiana na amidy amina zavatra hafa mitovy vidy ; ny zavatra amidy na vidiana dia mety raha atao ho an'ny olon-kafa ; io fomba io dia tsy dia efikasy araka ny ohatra ho aseho eo :

Misy mpiompy iray miompy bengy ary mila varimbazaha izy mba hanao mofo. Ilay mpamboly varimbazaha dia tsy mila bengy ary noho izany tsy dia misy tombontsoa betsaka ilay fifanakalozana noho ilay mpamboly varimbazaha tsy mila bengy.

Mila bengy ho atao sakafo ny mpanefy, kanefa ny tsy mila fitaovana amboarin'ny mpanefy ny mpiompy bengy, fa ny mpamboly varimbazaha no tena mila ny fitaovana amboarin'ny mpanefy.

Amin'ny farany, raha te-hahazo varimbazaha ilay mpiompy, dia tsy maintsy manakalo ny benginy any amin'ny mpamboly izy, izay ilay mpamboly mila fitaovana vao afaka manakalo amin'ilay mpanefy.

vola

Tamin'ny ankabeazan'ny fiara-monina voalohany nisy, ny olona dia nila nanakalo ny entana azo avy amin'ny ezany amina zavatra hafa. Noho izany, maka ny voankazo eo amin'ny tany izy mba hahafahany hahazo akanjo hoditra amin'ny alàlan'ny fifanakalozana, toy izany ny fomba nahaterahan'ny takalo. Ny olana amin'ny takalo, dia izy mila mahafantatra ny zavatra izay ilain'ny olona manodidina anatin'ny fotoana iray, noho izany, dia mety tsy mifanitsy amin'izay zavatra ilaina anaty ny fotoana iray ny takalo.

Ao amin'ilay ohatra nolazaina teo ambony, mety tsy nila voankazo ilay mpihazana fa kibay hazo. Ho sarotra inay ny fifanakalozana, satria mila mpiangoty iray vonona hanakalo ny voankazony ary mpanapaka hazo vonona hanakalo voankazo amin'ny kibay.