Tôgô

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Togo)
Sainan' i Tôgô
I Tôgô ao Afrika
Sarin-tanin' i Tôgô

I Tôgô dia firenena ao amin' ny faritr' i Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Hoalan' i Ginea sy ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Manana velarana mirefy 56 785 km². I Lomé no renivohiny. Mamaritra ny taniny ao avaratra i Borkina Fasô, ao atsinanana i Benîno, ao andrefana i Ganà. Atao hoe Tôgôley ny vahoakan' ity firenena ity.

Mahatra 550 km ny tanin' i Tôgô avy any avaratra mianatsimo. Iva dia iva sady misy fasika ny morontsiraka ao atsimo. Ahitana ala ny any avaratra. Mafana sy mando ny toetany any. Be tendrombohitra, izay manana tampona any amin' ny haambo 986 m, ny ao afovoan' i Tôgô, Ny any avaratra kosa rakotra hivoka anirian-kazo sy manana toetany maina.

Ny vahoaka tôgôley dia ahitana vondrom-poko efapolo any ho any, ka ny lehibe aminy dia ny Eoe (Ewe, manakaiky ny 50 %n’ ny mponina) sy ny Kabre (20 % eo ho eo). Be mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana, Kristiana ny 35 % ary Miozolmana ny 20 %.

Miankina amin’ ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Tôgô, ka anisan’ izany ny kakaô, ny voanjo, ny landihazo ary ny katsaka. Manondrana harena an-kibon' ny tany koa i Tôgô ka ny fôsfaty no lohalaharana amin' izany.

Zanatany alemàna avy eo zanatany frantsay taloha i Tôgô nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1960. Ny fiteny eoe (ewe) sy ny fiteny frantsay ary ny fiteny kabre no fiteny ôfisialy any.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany