Ginea

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Ginea
Sarin-tanin' i Ginea
Sarintany maneho an' i Ginea ao anatin' i Afrika

I Ginea dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 245 857 km². Niisa 14 190 612 ny mponina ao tamin' ny taona 2023. Antsoina koa hoe Ginea-Kônakry izy mba hanavahana azy amin' i Ginea-Bisao. I Conakry no renivohiny. Atao hoe Gineana ny vahoakan' io firenena io.

Mizara ho faritra ara-jeôgrafia efatra i Ginea, dia ny lemaka amorontsiraka be honahona ao andrefana ao feran' ny Ranomasimbe Atlantika, ny lembalemban' i Fouta-Djalon eo afovoan' ilay lemaka amorontsiraka, ny lembalemba Mandinga ao amin' ny sisiny avaratra amin' ilay firenena ao amin' ny sisin-tany manasaraka azy amin' i Maly, ny tany avo gineana ao atsimo-atsinanana izay ahitana ny tendrombohitra Nimba izay mahatratra 1 752 m. Mipoitra avy ao Ginea ny loharanon' ny ony lehibe sasany ao Afrika Andrefana, toa an' i Gambia sy i Niger.

Mpamboly sy mpiompy ny 90 %n' ny ponina ao Ginea nefa tsy ampy ho an' ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manana loharanon-karena an-kibon' ny tany betsaka i Ginea, ka lohalaharana amin' izany ny baoksita.

Misy vondrom-poko efatra lehibe ny vahoaka gineana, dia ny Mandinga, ny Folany, ny Soso ary ny Vahoakan' ny Ala. Miozolmana ny ankamaroan' ny Gineana (84,4 %), manaraka izany ny Kristiana (10,9 %), any aoriana ny mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana (2,4 %).

Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ao Ginea nefa ny fiteny malinke, folany, soso, kisy, basary, lôma, kôniagy ary kpele dia fitenim-pirenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany