Rotsa-drano

Avy amin'i Wikipedia
Rotsa-drano maneran-tany isam-bolana

Ny rotsa-drano dia ilazana ny endriky ny rano rehetra ao mitsiranoka na mivaingana avy amin' ny atmôsfera. Ireo kristalin-dranomandry na teten-drano izay niharan' ny fivaingana sy ny fivangongoana ao anatin' ny rahona dia nanjary mavesatra loatra ka tsy afaka mihantona ao amin' ny atmôsfera ary milatsaka amin' ny tany na mietona ka tsy mahatratra ny tany. Atao hoe rotsak' orana izy raha milatsaka amin' ny endrika ranoka.

Amin' ny heviny miitatra, io andian-teny hoe "rotsa-drano" io dia azo ampiasaina amin' ny tranga mitovy amin' izany amin' ny planeta hafa na volana manana atmôsfera.

Endriky ny rotsa-drano[hanova | hanova ny fango]

Orana

Ny fahatetehana sy ny fomban' ny rotsa-drano amin' ny faritra ara-jeôgrafia iray dia toetra manan-danja ao amin' ny toetaniny. Mandray anjara amin' ny fahalonahana sy ny fahafaha-monina ao amin' ny faritra antonony na mafana ny rotsa-drano; any amin' ny faritra an-tendron-tany dia manampy amin' ny fitazonana ny satro-dranomandry izy ireo. Ny rotsa-drano dia mety manana ireto endrika manaraka ireto (mifangaro indraindray): orana sy zavona raha ranoka, oram-panala sy ranomandry sy havandra raha vainga, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.