Jeôgrafian' i Afrika

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' i Afrika azo avy amin' ny zanabolana

Ny jeôgrafian' i Afrika dia andinihana indrindra ny zava-misy voajanahary sy nataon' olombelona araka ny fiparitahany amin' ny tanin' i Afrika. Ny velaran' i Afrika manontolo dia 30 000 000 km2 any ho any izay mahatonga azy ho tanibe (kôntinenta) faharoa lehibe indrindra. Mirefy 8 000 km ny halaviran' ny atsimo sy avaratra (Cap des Aiguilles ao Afrika Atsimo sy i Ras Ben Sakka ao Tonizia), ary mirefy 7 000 km ny halaviran' ny atsinanana sy ny andrefana (Ras Hafun ao Somalia sy ny nosin' i Cabo Verde). Ny toerana avo indrindra ao Afrika dia ny tampon' ny tendrombohitra Kilimanjaro izay manana haavo 5 895 m. I Aljeria no firenena lehibe indrindra ao Afrika ary i Nijeria no firenena be mponina indrindra.

Vohon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Vohon-tanin' i Afrika

Zavamaniry sy biby[hanova | hanova ny fango]

Rano[hanova | hanova ny fango]

Toetany[hanova | hanova ny fango]

Sarin-tany maneho ny toetany aty Afrika

Maro samihafa ireo toe-tany hita ao Afrika. Ny faritra avaratra sy atsimo dia manana ny toetany mediteraneanina. Toetanim-pehibe ny toetanin' i Afrika Afovoany ary toe-tanin' ny tanimaty (tany efitra) no ananan'ireo faritra izay akaikin' ny zana-pehintanin' ny Asorotany ary ny trôpikan' ny Adijady.

Loharanon-karena[hanova | hanova ny fango]

Vahoaka sy mponina[hanova | hanova ny fango]

Jeôpôlitika[hanova | hanova ny fango]

Sarintany pôlitikan' i Afrika

Ny firenena mivelatra indrindra any Afrika dia ny Sodàna manana velarantany 2,50 tapitrisa km2. Ary ny firenena kely indrindra dia ny tambanosin' i Seisela izay 1 300 km any avaratr' i Madagasikara.

Fizaràm-paritra ao Afrika[hanova | hanova ny fango]

Azo tsinjaraina amin' ny faritra dimy ny firenena ao Afrika. Misy firenena sasany izay voasokajy anaty faritra roa na telo.

Afrika Avaratra[hanova | hanova ny fango]

I Afrika Avaratra dia ny tapany avaratr'i Afrika izay mamondrona ireo firenena manana morontsiraka amin'ny ranomasina Mediteranea. Ireto avy ny firenena heverina fa isan'i Afrika Avaratra: i Ejipta, i Libia, i Tonizia, i Aljeria, i Marôka, i Sahara Andrefana ary i Maoritania.

Afrika Andrefana[hanova | hanova ny fango]

I Afrika Andrefana dia faritra ao Afrika izay mahafaoka ny ampahany andrefana amin' i Afrika atsimon'i Sahara. Ireto avy ny firenena heverina fa isan' i Afrika Andrefana: I Benîno, i Borkina Fasô, i Kapvera, i Kôtidivoara, i Gambia, i Ganà, i Ginea, i Ginea Bisao, i Liberia, i Maly, i Maoritania, i Nizera, i Nizerià, i Senegaly, i Siera Leôna ary i Tôgô.

Afrika Atsinanana[hanova | hanova ny fango]

I Afrika Atsinanana dia mahafaoka firenana afrikana maromaro ao amin'ny tapany atsinanan' i Afrika, izay matetika manondro ireo firenena ao amin' ny Lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena sy fanjakana heverina fa isan'i Afrika Atsinanana: i Eritrea, i Etiôpia, i Jiboty, i Somalia, i Sodàna Atsimo, i Kenia, i Oganda, i Tanzania, i Roanda, i Borondy, i Seisely, i Kômôro sy i Maiôty, i Maorisy, La Réunion, i Madagasikara, i Malaoy ary i Môzambika.

Faritra Atsimo ao Afrika[hanova | hanova ny fango]

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapan' i Afrika ao atsimo izay fitambaran' ny firenana sy tany ao atsimon' ny alam-pehibe afrikana. Ireto avy ny firenena heverina fa ao amin' ny Faritra atsimo ao Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla, i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (na Soazilandy teo aloha), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy, i Môzambika, i Namibia, i Zambia, ary i Zimbaboe.

Afrika Afovoany[hanova | hanova ny fango]

I Afrika Afovoany dia ahitana ny tapany atsimon' i Sahara sy ny tapany atsinanan' ny Ampinga andrefana afrikana ary ny lohasahan' ny Hantsana Lehibe. Ireto avy ny firenena heverina fa anisan' i Afrika Afovoany: i Angôla, i Kamerona, i Gabôna, i Ginea Ekoatôrialy, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny Repoblikan' i Kôngô, i Saô Tôme e Prinsipe, i Tsady, i Malaoy, i Zambia, i Zimbaboe, i Borondy ary i Roanda.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]