Ginea Ekoatôrialy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ginea Ekoatorialy)
Sainan' i Ginea Ekoatôrialy
I Ginea Ekoatôrialy ao Afrika

I Ginea Ekoatôrialy dia firenena ao Afrika Afovoany, ao amin' ny Hoalan' i Ginea, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 28 051 km², nisy mponina miisa 1 403 000 tamin' ny taona 2020. I Malabo ao amin' ny nosy Bioko no renivohiny. Atao hoe Ekoatôgineana ny vahoakan' io firenena io.

Ny tapak' i Ginea Ekoatôrialy iray dia ao amin' ny tanibe (i Mbini) fa ny tapany iray hafa dia nosy (i Bioko). Mamaritra an' i Mbini ao avaratra i Kamerona, ao atsinanana sy ao tsimo i Gabôna. Fitambarana lembalemba rakotra ala i Mbini, fa i Bioko kosa dia nosin' afotroa izay manana tampona mirefy 3 008 m ambonin' ny ranomasina.

Mari-piandrianan' i Ginea Ekoatôrialy

Atao hoe Ekoatôgineana ny vahoaka ao. Maro ny vondrom-poko mamorona ny vahoaka ao Ginea Ekoatôrialy, ka anisan' izany ny Boby (Bubi) miteny banto sady monina ao amin' ny nosy Bioko, ny Fernandinô izay safiotra afrikana-eorôpeana, ny Ibô izay vahoaka avy any Nizeria ary ny Fanga izay monina ao amin' ny ampahany an-tanibe amin' io firenena io. Kristiana ny ankamaroan' ny mponina ao Ginea Ekoatôrialy (93 % ka Katôlika ny 80 %).

Miompana amn' ny fambolena ny toekaren' i Ginea Ekoatôrialy, ka anisan' ny volena sy aondrana ny kakaô sy ny kafe. Manondrana hazo any ivelany koa io firenena io. Nanapotika ny toekaren' i Ginea Ekoatôrialy ny fitondrana jadona tamin' ny taona 1968 hatramin' ny 1979.

Zanatany espaniôla taloha i Ginea Ekoatôrialy izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1968.

Na dia ny fiteny fanga aza no fitenin' ny maro an' isa amin' ny vahoaka ekoatôgineana dia ny fiteny espaniôla no fiteny ôfisialin' i Ginea Ekoatôrialy. Efa fiteny ôfisialy koa ny fiteny frantsay (taona 1998) sy pôrtogey (taona 2011).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany