Fiteny ao Tanzania

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ao Tanzania dia miisa zato any ho any, ka ny tsirairay aminy dia tenenin' ny olona tsy mihoatra ny 16 %n' ny mponina. Ny fiteny soahily, na dia fiteny nibeazan' ny 1 %n' ny mponina tanzaniana fotsiny aza, dia fiteny ifaneraseran' ny 95 %n' ny mponina, fa ny fiteny anglisy kosa dia ampiasain' ny 5 %n' ny mponina. Taorian' ny taona 1921 no nidiran' ny fiteny anglisy ao Tanzania. Ny fiteny arabo izay fiteny be mpampiasa taloha, indrindra tao Zanzibar, dia saika tsy misy mpampiasa intsony ao Tanzania. Ampianarina ao amin' ny oniversite sy ao amin' ny Goethe-Institut ao Dar es Salam ny fiteny alemàna. Ny mponina ao Tanzania koa dia miteny kaboa ao amin' ny faritr' i Mara.

Fianakaviam-piteny ao Tanzania[hanova | hanova ny fango]

Fiteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ireo fiteny lehibe ao Tanzania ireo amin' ny fianakaviam-piteny niger-kongô ahitana ireo fiteny banto sy ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana.

Ny Fianakaviam-piteny banto[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo fiteny banto tenenina ao Tanzania: fiteny bemba, bena, chaga, digo, gogo, haya, hehe, iramba, luguru, makonde, ngoni, nyakyusa, nyamwezi, nyika, pare, rangi, safwa, sonjo, sukuma, soahily, tongwe, turu, vidunda ary yao.

Ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny fiteny nilô-sahariana (fiteny nilôtika raha ny tena marina) tenenina ao Tanzania dia ireto: fiteny datooga, kisankasa, maasai, ngasa, ogiek, luo, zinza, ary sambaa.

Fiteny madinika[hanova | hanova ny fango]

Ireo fiteny ireo dia fitenin' ny vahoaka vitsy anisa sy foko madinika, dia ireo fiteny ao amin' ny vondrom-piteny kôisana sy ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika ary ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana.

Ny vondrom-piteny kôisana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny ao amin' ny vondrom-piteny kôisana (fiteny khoe, raha ny tena marina) dia ny fiteny hadza sy ny fiteny sandawe.

Ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika[hanova | hanova ny fango]

Ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika dia ahitana fiteny kositika (fiteny alagwa, burunge, gorowa, iraqw) sy fiteny semitika (fiteny arabo).

Ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana dia ahitana fiteny ndô-iraniana (fiteny gojaraty, hindostany, kutchi) sy fiteny jermanika (fiteny anglisy, alemàna) ary fiteny rômana (fiteny rômantsa, frantsay, pôrtogey).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]