Fiteny nilôtika

Avy amin'i Wikipedia
Faritra ao Afrika itenenana ireo fiteny nnilôtika

Ny fiteny nilôtika dia vondrom-piteny ao amin' ny sapam-piteny sodanika atsinanana an' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, , izay tenenin' ny vahoaka nilôtika. Mitsinjara amin' ny faritra midadasika hatrany Sodàna Atsimo, any Kenia, any Oganda ka hatrany Tanzania ireo fiteny ireo.

Faritra misy ny mpiteny nilôtika[hanova | hanova ny fango]

Ahitana mpiteny nilôtika koa ny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny any Etiôpia, ny any Kenia, ny any Sodàna, ny any Sodàna Atsimo, ny any Tanzania ary ny any Oganda.

Fisampanany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanasokajiana nataon' ilay mpahay fiteny Joseph Greenberg dia mizara ho sampana telo ny fiteny nilôtika:

  • Fiteny nilôtika atsinanana (fiteny turkana sy maasai, ohatra);
  • Fiteny nilôtika atsimo (fiteny kalenjin sy datooga, ohatra);
  • Fiteny nilôtika andrefana (fiteny luo sy nuer ary dinka, ohatra).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]