Fiteny soahily

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
saritan'ny firenena miteny soahily
Soahily
Kiswahili

Isan'ny mpiteny 50 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Afrika Atsinanana
Sata Teny ofisialin'i Flag of Tanzania.svg Tanzania, Flag of Kenya.svg Kenia, Flag of the Comoros.svg Komaoro, Flag of the Democratic Republic of the Congo.svg R.D. Kongo, Flag of Uganda.svg Oganda ary ny Sainan'ny Vondrona Afrikana.svg Vondrona Afrikana


Ny fiteny soahily (amin'ny fiteny soahily : kiswahili) dia fiteny iray ao amin'ny vondrom-piteny bantoa izay tenenina eo amin'ny faritra atsinanan'i Afrika, izay manafangaro teny afrikanina ary fiteny arabo.

Ao amin'ny teny soahily dia ahitana fiovaovàna araka ny faritra. Ny atao hoe teny soahily ofisialy, izay fampiasan'i Kenia ary Tanzania ary any Oganda dia teny soahily "tatsinanana", ary ny teny soahily tenenina any Oganda ary any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, dia azo lazaina fa fiteny soahily tandrefana. Ao Kenia indray dia ahitana ny teny soahily mifangaro amin'ny teny anglisy izay antsoina hoe "sheng". Io fomba fitenenana soahily io dia ampiasain'ny tanora matetika eny amin'ny tanàn-dehibe.

Na dia izany aza, mifankahazo avokoa ireo mpiteny soahily amin'ny alalan'izay teny soahily ofisialy izay.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiaviana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny soahily ("fitenin'ny olona eo amin'ny amorontsiraka") dia fiteny bantoa manana voambolana maro dia maro avy amin'ny fiteny arabo, noho ny fifandraisann'y mponina tompontany amin'ireo mpivarotra arabo mandalo eo amin'ny amorontsirak'i Zanja (Zanj), misy voambolana avy amin'ny fiteny persana, alemana, portogey, anglisy ary frantsay koa ao amin'ny fiteny soahily.

Ankehitriny ny isan'ny mpiteny soahily dia mahery ny dimampolo tapitrisa izay miparitaka eraky ny faritra atsinanan'i Afrika : i Kenia ; Tanzania ; ny RDK (tsy teny ofisialy) ary i Komaoro. Teny ofisialy ary tenim-pirenen'ireo firenena ireo ny fiteny soahily. I Oganda, firenena izay manana ny teny anglisy ho teny ofisialy, dia mampianatra fiteny soahily nanomboka tamin'ny taona 1992, ary tamin'ny 2005 ilay fiteny dia lasa nivadika ho fiteny ofisialy, mba hanomanana ny Federasiônan'ny Afrika Atsinanana. Hain'ireo mponina mipetraka ao Komaoro, Borondỳ ary Roanda ny miteny soahily.

Toerana itenenana soahily[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny ankapobeny, ny fiteny kisoahily dia fiteny bantò tenenina ao amin'ny faritra afovoany ary atsinanan'i Afrika. Ireo firenena mampiasa azy amin'ny lafiny ofisialy (izany hoe mampiasa ilay fiteny amin'ny lafin'ny fandrindrana na amin'ny lafin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka) dia i Tanzania, i Oganda ary i Kenia. Ampiasaina koa ny fiteny soahily any avaratr'i Mozambika na amin'ny faritra atsinanan'i Repoblika Demokratikan'i Kongo, fa tsy ofisialy.

Endrika[hanova | hanova ny fango]

Feo[hanova | hanova ny fango]

Renifeo[hanova | hanova ny fango]

Zanapeo[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra ilaina[hanova | hanova ny fango]