Fiteny romantsa

Avy amin'i Wikipedia
Ny fiteny romantsa ao amin' ny kantôan' i Grisons
     Alemàna      Romantsa      Italiana

Ny fiteny romantsa (rumantsch) dia fiteny tenenina any Soisa. Heverina fa eo amin' ny enina alina eo ho eo no isan' ny olona miteny io fiteny io; kely anefa izany isa izany raha oharina amin' ny isan' ny mponin' i Soisa, ka na dia izany aza dia manana sata ôfisialy foana io fiteny io ao Soisa.

Ny faritra misy olona miteny ny fiteny romantsa dia ao amin' ny kantôan' i Grisons. Anisan' ny fiteny ôfisialin' io kantôa io ny fiteny romantsa ary anisan' ny fiteny ôfisialy sy fitenim-pirenen' i Soisa.