Zozoro papirosy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Zozoro papiry)
Zozoro papirosy

Ny zozoro papirosy na zozoro papiry dia zavamaniry ao amin' ny fianakavian' ny cyperaceae miparitaka any amin' ny faritra mando manerana an' i Afrika. Nisy koa izy io taloha tany Ejipta, teo amoron’ ny reniranon' i Neily na Nily sy ny vinaniny. Atao hoe Cyperus papyrus izy amin' ny anarana ara-tsiansa.

Mety hahatratra metatra maromaro ny haavon' io zavamanirin-konahona io. Izy io dia misy tahony telozoro manohana raviny milahatra toy ny tanan-kintana eo an-tampony. Ny raviny dia maitso, lava, manify ary maharitra.

Efa hatry ny ela ny zozoro papirosy no nampiasaina ho akora fanaovana taratasy antsoina koa hoe papirosy (taratasy zozoro) izay fitaovana fanoratana tamin' ny fahagola. Nanana lanja ara-panoharana sy ara-javakanto lehibe koa izy io tany Ejipta fahiny.