Aller au contenu

Harefo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Cyperaceae)
Harefo

Ny harefo dia fianakavian-javamaniry, ahitra, izay matetika maniry mandavan-taona, ary indraindray tsy mitambatra ao amin' ny voniny iray ny fitaovam-pananahana lahy sy vavy; ny tahony dia matetika telozoro. Ity fianakavian-javamaniry ity dia ahitana karazana 5 000 miparitaka amin' ny vondron-karazany maherin' ny zato miely manerana izao tontolo izao. Atao hoe Cyperaceae ny anarany ara-tsiansa.

Ny karazana harefo atao hoe papirosy (Cyperus papyrus) dia nambolena tany Ejipta fahiny noho ny nofony nampiasaina hanaovana fitaovam-panoratana: ny papirosy (taratasy zozoro). Ilay karazana harefo atao amin' ny anarana siantifika hoe Eleocharis dia anamboaran' ny Malagasy fitafiana nentim-paharazana, any amin' ireo faritra aniriany.