Wikipedia:Tetikasa kanji

Avy amin'i Wikipedia
TONGA SOA
ETO AMIN'NY TETIKASA KANJI AN'I WIKIPEDIA MALAGASY.


Ny tanjon'ity tetikasa ity dia manome fampahalalana momban'ny kanji japoney.


Ny isan'ny lahatsoratra mikasika ny kanji dia misy 8


Inona ny lazaina hoe kanji ?[hanova ny fango]

Ny kanji dia sinôgrama (soratra sinoa) anoratana ny fiteny Japoney. Ny tontalin'ny sinôgrama sinoa ampiasain'ny fiteny Japonpey dia miisa iray alina mahery fa 1850 amin'ireo fotsiny no tena ampiasaina andavanandro. Ho an'ny antsipiriany, jereo ny lahatsoratra « kanji ».

Ny votoatin'ny lahatsoratra momban'ny kanji[hanova ny fango]

Ny tokony ho votoatin'ny lahatsoratra momban'ny kanji dia :

  • Ny fanononana ny kanji
  • Ny fampiasana ilay kanji amin'ny fiteny maro, raha ampiasaina amin'ny fiteny maro ilay kanji (amin'ny fiteny sinoa indrindra indrindra)
  • Ny kilasy ianarana ilay kanji
  • Ny fomba fampidirana ilay kanji amin'ny rindrankajy.

Tsy voatery fenoina sy azavaina daholo ireo fizarana ireo, arakaraka ny laharam-pahamehana. Ny tena ilaina amin'ny kanji dia ny fanononany amin'ny fiteny izay mampiasa azy.




  

Torolalana momban'ny fanamboarana takelaka[hanova ny fango]

Amin'ny fanamboarana takelaka, tsara apetraka ao amin'ilay lahatsoratra ny antsipirian'ny tantaran'ny kanji Japoney, ary koa ny antsipirian'ny fampiasany amin'ny fiteny sinoa sy amin'ny fiteny koreanina. Ho an'ny ohatra, jereo ny takelaka .

Ny tokony apetraka[hanova ny fango]

Ao amin'ny lahatsoratra mikasika ny kanji dia tsy maintsy apetraka ny fomba fanoratana, ny fanononana azy (amin'ny fiteny izay mampiasa azy raha misy), ny tantaran'ilay kanji, ny fotoana ianarana azy, ary raha afaka, ohatra fampiasana ilay kanji anaty fehezanteny. Raha afintina :

  • Apetraho eo amin'ny pejy famoronana ny fampahalalàna tianao hisy. Raha tsy mahay kanji ianao ka te-hanatsara ity raki-pahalalàna ity, jereo ny wikibolana miteny frantsay, ary soraty eo amin'ny fikarohana ny kanji tianao ho jerena.
  • Dikao eto amin'ny wiki amin'ny teny malagasy ny fampahalalàna momba ilay kanji. Aza hadino no mametraka fehezanteny.
  • Sokajio ilay lahatsoratra ao amin'ny sokajy [[sokajy:tetikasa kanji]], mba tsy ho sarotra tadiavina ilay kanji.

Inona ny tokony ho lohatenin'ny lahatsoratra miresaka momban'ny kanji ?[hanova ny fango]

Tsotra. Apetraho eo amin'ny fitaovana fikarohana fotsiny ny kanji ho resahina.

  • Ohatra : «  » ny ho lohatenin'ny kanji miresaka momban'ny kanji «  ».


  • Mbola mpikambana iray monja no mandray anjara eto amin'ity tetikasa ity. Ka raha afantatra kanji na tsia aza ianao, dia misorata anarana ato. Jereo ny kanji eo amin'ny wikibolana frantsay (« Wiktionnaire ») eo mba hahita ny fampahalalàna momban'ny kanji raha ohatra ka ianao tsy mahay kanji. Dikao eto amin'ny fiteny malagasy fotsiny ny fampahalalàna momban'ny kanji.
  • Misy eo amin'ny 1200 eo ho eo ny kanji miandry hoforonina eto amin'ny wikipedia malagasy. Raha fantatrao fa matanjaka ny milinao sy ny connexion anao, dia jereo eo amin'ny pejy tokony hoforonina, ao daholo ny lahatsoratra mahery ny 4 arivo miandry hoforonina !

Mandray anjara eto amin'ny tetikasa[hanova ny fango]

  • Jagwar grr... | : Mpamorona ny tetikasa kanji, efa nanoratra kanji maherin'ny arivo