Wikipedia:Takelaka/9 2013
Raha ny arkeolojian'ny teny no jerena, ny teny hoe « Andriana » dia efa nampiasain'ireo vazimba (anarana iantsoana ireo mponina taty anivontany talohan'ny nanjakan'i Rabiby sy Andriamanelo ny taona 1500 taorian'i J.K.) efa hatry ny ela. Porofon'izany, maro ireo vazimba no ahitana ny teny hoe « andriana » amin'ny anarany. Manarak'izany, ny teny hoe « andriana » dia saika efa nampiasain'ny foko maro eran'ny madagasikara ary efa aman-jatotaona tokoa. Midika izany fa tsy foko tokana na vitsy no nivoy ny foto-mpandaminana " andriana" araka ny filazan'ny olona sasany azy.
Ny teny hoe « andriana » dia manana heviny roa: ny voalohany dia hoe « andry », izay manana ny lanjany tokoa teo amin'ny ntaolo, satria ny tranon'izy ireo dia misy andry iray lehibe eo afovoany izay ianteheran'ny trano iray manontolo. Ny andriana ary dia ilazana olona azo ianteheran'ny maro. Heviny faharoa, ny « andriana » dia ilazana koa toerana azo atorizana. Zava-dehibe teo amin'ny ntaolo tokoa fahizay ny fandriampahalemana ka na ny fototeny aza dia « andriana ». Ilazana koa izany fa ny « andriana » dia olona azo ianteherana amin'ny fandriampahalemana. Marihina anefa, ny teny hoe « andriana » dia saika fahita amin'ny anaran'ny olona rehetra na andriana, na hova na mpanompo. Izany hoe tsy teny natokana hampiasain'olombitsy ny « andriana » fa azon'ny rehetra hampiasaina tsara.
Tany amboalohany, ny « andriana » dia ilazana ireo olona ianteherana, koa ny raim-pianakaviana rehetra na lehiben'ny fianakaviana dia « andriana » avokoa.Io ilay vanim-potoana voatazon'ny lovantsofina hoe « samy andrian-ko ho azy ». Tato aoriana anefa, rehefa nihamaro ny olona sy mba ho fandaminana ny fiaraha-monina dia nifamory ka nifidy "andriana" iraisana. Io andriana iraisana io dia ny " be taona indrindra " teo amin'ny fiarahamonina noho izy tompon'ny fahendrena. Mbola voatazon'ny angano izany ka hoy izy manao hoe " vorona nifidy andriana". Rehefa maty ary ny " andriana" voafidy dia mifidy "andriana hafa indray. Dia toy izay hatrany. Mbola maro ireo foko eto madagasikara mandrak'ankehitriny no manaraka io fomba fifidianana io.