Wikipedia:Takelaka/7 2012

Avy amin'i Wikipedia

Ny hasina dia manana heviny efatra loha teo amin'ny Ntaolo:

1)Hery tsy hita maso ny hasina ka ireo andriana, mpanandro, mpisikidy,sy ireo zavaboaharin'andriamanitra toy ny zazavavindrano, kalanoro, vazimba, ireo sampy, sns...izay afaka manova ny fiainan'ny olombelona no heverin'ny ntaolo ho manana azy. Marihina fa ny loharanon'io hery io dia Andriamanitra andriananahary sy ny razana. Araka ny lovantsofina teo amin'ny andriana anefa, ny hasina amin'ny andriana dia avy amin'ny zanak'andriamanitra mihintsy fa tsy toy ireo hasina hita amin'ny zava-boahary hafa.Raha nidina nilalao tety ambony tany ny zanak'Andriamanitra dia tsy tafody tany andanitra intsony satria voaota fadin'ny olombelona. Koa tonga nitoetra sy notompoin'ny olombelona teto antany ilay zanak'andriamanitra. (tohiny...)