Wikipedia:Takelaka/6 2013

Avy amin'i Wikipedia

Rabiby (voalohan'ny taonjato faha-16 aorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola).

Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an'i Rabefaravolamanjaka i Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany.

Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenin-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina. Vadiben'Andrianamboninolona i Rabefaravolamanjaka ka matetika Andrianamboninolona no mipetraka maharitra eo amin'i Rabefaravolamanjaka ka nahavery ny anaran'io tendrombohitra io ho "Ambohitrandriananahary", anarana nalain'Andrianamboninolona tamin' "Ambohitrandriananahary", vohitr'Andriamananitany rainy eo ampita avaratr'Alasora.

Nisy fotoana narary mafy ny mpanjaka Rabiby teo Ambohidrabiby ary naika maty mihintsy nefa dia tsy norahirahian'ireo zanany izy. Fa ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka no nikarakara sy nahasitrana azy. Koa rehefa sitrana i Rabiby dia hoy ny teniny mantsy ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka ireo: " Tsy mba zafiko ianareo fa toy ny zanako naterako, fa ny zanako tsy nahavita izay vitanareo". (tohiny...)