Wikipedia:Takelaka/5 2010

Avy amin'i Wikipedia

Imerina-Ambaniandro dia anarana teraka teo Ambohidrabiby.

Roa amby roapolo km miala an'Antananarivo amin'ny làlana mankany Anjozorobe no misy an'Ambohidrabiby, vohitra miorina eo antampon-tendrombohitra efa hatramin'ny taonjato faha-16.

Ankotrokotroka no anarany faha-vazimba, ka Ramasinamparihy sy Andrianakotrola (nalaza ho nahay varatra) no Vazimba nifandimby nanjaka tao.

Tamin'ny tapaky ny taonjato faha-16, Habib (nogasiana hoe Rabiby), Mpanjaka arabo sy ny vahoakany ary ireo angaralahiny, niainga tany Ambohitsitakatra (Anjozorobe), no nandroaka ny Vazimba tao Ankotrokotroka. Nanan-daza loatra i Rabiby ka nahavery anarana ny vohitra ho lasa Ambohidrabiby, izay misy ny fasany (sary eo an-kavia). Mpanandro nikoizana koa izy ka voatazon'ny ohabolana hoe "aza milaza mahita volana alohan'i Rabiby". Novain-dRabiby ho teny arabo ny anaram-bolana 12 sy ny anaran'andro 7 raha tamin'ny teny vazimba sy maley izany. Ka ny Alahamady no nataony volana voalohany. Ramaitsoankanjo no vadiny izay niterahany an-dRamaitsoanala mianadahy avy.

Tamin'i Rabiby dia fanjakana vazimba sy maley mitsitokotoko maro ny taty anivon'ny riaka. Andriamanelo, Mpanjaka maley tao Alasora tamin'ny taona 1540-1575, no nangataka an-dRamaitsoanala (novaina anarana ho Randapavola) ho vadiny ka niterahany an-dRalambo tamin'ny andro vava alahamady.