Wikipedia:Takelaka/2 2023

Avy amin'i Wikipedia
Hazo tangena

Ny tangena dia hazo madinika ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae, mamoa voa misy poizina mahafaty, voa misy ditiny toa fingotra. Sokajiana ho iray amin' ireo karazana telo ao amin' ny vondron-karazana Cerbera izay hita ao amin' ny ala honko izy. Nampiasaina tao amin’ ny Fanjakana Merina tamin’ ny fitsarana amin’ ny alalan’ ny fampinomana tangena izy io.

Izao ny anarany ara-tsiansa:

  • Cerbera tanghin Hook,
  • Cerbera venenifera (Poir.) Steud.
  • Tanghinia venenifera Poir.

Hazo tsy mihintsan-dravina ny tangena izay mety hahatratra 6 ka hatramin' ny 12 m ny haavony. Amin’ ny ankapobeny ity hazo ity dia miolanolana, mahatratra 50 sm ny savaivony ary ny hodiny dia marokoroko.

Mifandimby, tsotra ary feno ny ravin’ ny tangena, 15 hatramin’ ny 25 sm ny halavany. Ny tangozan-dravina dia 4 ka hatramin' ny 5 sm.

Voan-tangena

Ny voniny dia fotsy hatramin' ny mena, tena mamerovero, ary mivondrona. Mivadika avy amin' ny fotsy ho volombatolalaka izy ireo nefa tsy malazo.

Misy nofony malemy nefa mafaitra ny voan' ny tangena izay manana savaivo mirefy 4 sm, miaraka amin' ny nofony misy tsiratsiraka ahitana vihy 1 na 2 tena misy poizina. Ny voany dia mitovy amin' ny manga; miloko maitso ary mivadika mena rehefa masaka. (tohiny...)