Wikipedia:Takelaka/2 2017

Avy amin'i Wikipedia

Ny Andriandoriamanjaka dia taranaka iray eto Imerina no niandohany.

Rabiby (fiandohan'ny taonjato faha-16 taorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola). Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an-dRabefaravolamanjaka Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany. Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zana-dRabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenan-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina. (tohiny...)