Wikipedia:Takelaka/1 2012

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpanjaka Andriandranandobe, (niaina tamin'ny taonjato faha-16 aorian'ny jesosy kristy) no razambe nipoiran'ny terak'Andriandranando, atao koa hoe "zanadranando". Avy amin'ny faritry ny ala antsinanana izy no niakatra taty Imerina ankehitrio izy mba hitady zara-tany hanjakana. Zanak'i ny mpanjaka Andriamamilazabe sy Andrianetohento izy. Metisy maley sy arabo i Andriandranandobe. Raha tonga teto anefa dia efa natanjaka ny fanjakan'Andriamanelo teo Alasora sy ny fanjakan-dRabiby teo Ambohidrabiby. (tohiny...)