Wikipedia:Takelaka/12 2012

Avy amin'i Wikipedia
Mpandika tamin'ny taona afovoany

Ny soratra dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana mifanakalo fampahalalana haingana kokoa ary tsy mila feo.

Manasaraka ny Fotoana Nialohan'ny Tantara sy ny Tantara ny taona namoronana ny soratra.

Ny endri-tsoratra voalohany indrindra fantatra amin'izao tontolo izao dia endri-tsoratra hieroglifika hita tany Abydos (400 km miala ao Le Caire) eo amina vilany tany hita tanaty fasam-panjaka taloha. tamin'ny taona -3400 ireo soratra ireo no nosoratana. Taona maromaro taty aoriana, mipoita ny soratra miendrika fantsika ny Fanjakambe Someriana, tamin'ny taona -3300 teo ho eo.