Wikipedia:Takelaka/11 2011

Avy amin'i Wikipedia

Ny Andriandoriamanjaka dia taranaka iray eto Imerina no niandohany.

Rabiby (voalohan'ny taonjato faha-16 aorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola).

Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an'i Rabefaravolamanjaka i Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany.

Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenin-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina. Vadiben'Andrianamboninolona i Rabefaravolamanjaka ka matetika Andrianamboninolona no mipetraka maharitra eo amin'i Rabefaravolamanjaka ka nahavery ny anaran'io tendrombohitra io ho "Ambohitrandriananahary", anarana nalain'Andrianamboninolona tamin' "Ambohitrandriananahary", vohitr'Andriamananitany rainy eo ampita avaratr'Alasora. (tohiny...)