Voninahitra (fivavahana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny voninahitra dia ampiasaina hilazana ny fisehoan' ny fanatrehan' Andriamanitra araka ny fiheveran' ny olombelona azy ao amin' ny fivavahana abrahamika.

Ny voninahitr' Andriamanitra dia lohahevitra manan-danja ao amin' ny teôlojia kristiana manontolo, izay iheverana an' Andriamanitra ho ny be voninahitra indrindra miohatra amin' ny zavatra rehetra, ary heverina fa ny olombelona dia noforonina araka ny endrik' Andriamanitra (en) ary afaka mizara ny voninahitr' Andriamanitra na mandray anjara amin' izany, na dia tsy amin' ny fomba tsy lavorary aza, amin' ny maha mpitondra ny sariny azy. Araka izany no nandidiana ny Kristiana hoe: "Aoka hazava eo imason' ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." (Matio 5:16)