Aller au contenu

Vinanin-dranomasina

Avy amin'i Wikipedia
Vinanin-dranomasin' i Río de la Plata eo anelanelan' i Orogoay sy Arzantina

Ny vinanin-dranomasina na vinanibe dia ampahany amin' ny vavaranon' ony izay ahitana ny fiantraikan' ny ranomasina na ranomasimbe misy azy. Ho an' ny olona sasany dia mifanitsy amin' ny ampahany manontolo amin' ny renirano izy io - izay misy rano masira na masirasira; ho an' ny hafa kosa, ny fisian' ny fiantraikan' ny fiakarana (famonta) sy ny fisinton' ny ranomasina (aka) eo amin' ny ranon' ny ony no mamaritra izany na koa ny vondrom-biby na vondrona ekôlôjika an' ny vinanin-dranomsina manokana.

Araka ny voalazan' i Pritchard (1967) ifanarahana fa tsy misy ny vinanin-dranomasina ho an' ny ony izay mikoriana mankany amin' ny ranomasina mikatona izay tsy misy famonta sy aka.