Aller au contenu

Vanofotsy

Avy amin'i Wikipedia
Vanofotsy sy voay any Karnataka (India)

Ny vanofotsy na langorofosy dia karazana vorona mpirenireny, ao amin' ny fianakaviana Ardeidae. Ny anarany aratsiansa dia Ardea alba (na Egretta alba na Casmerodius albus teo aloha)

Ny vanofotsy no lehibe indrindra amin' ny vano rehetra misy any Eorôpa. Saika nanjavona izy io, noravan’ ny mpihaza sy ny mpamadrika izay nivarotra ny volony lava mba handravaka ny satroky ny vehivavy nanomboka tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-19 ka hatramin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-20. Avy eo dia ny fanimbana ny heniheny sy ny ala honko ary ny poizim-bibikely no nanasarotra ny fahavelomany. Voaaro izy io ankehitriny ary mihamaro tsikelikely. Noho izany dia sokajîn' ny IUCN ho tsy atahotrana ho lany tamingana. Mpifindra monina amin' ny ampahany any amin' ny ila-bolantany avaratra izy io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]