Totankamôna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tutankhamun)
Totankamôna
Ankapobeny
Anarana Totankamôna
Teraka 1 Janoary -1340
Maty 1 Janoary -1322
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Ejipta
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Totankamôna dia faraôn’i Ejipta tamin’ny taona 1333 hatramin’ny 1323 tal. J.K. nandritra ny Empira Vaovao. Teraka tamin’ny taona 1340 ary maty tamin’ny taona 1322 izy. Mety zanak’i Amenôfisy III sy rahalahy tsy iray reny tamin’i Akenatôna ilay nitondra ny anarana hoe Totankatôna ("sary velon’ i Atôna") izay nanambady an’i Anksenpatôna (niova anarana hoe Ankesenamôna taty aoriana), zanaka vavy fahatelon’i Akenatôna tamin’i Nefertity. Tamin’ny fahasivy taonany izy dia nandimby ny rafozan-dahiny teo amin’ny fanapahana an’i Ejipta.

Nisy akony teo amin’ny fisainany ny fanabeazana azony tamin’i Ay mpitaiza azy sy ny traikefa azony tamin’ilay mpitari-tafika atao hoe Hôremheba, izay samy mpivavaka mahafatra-po tamin’ny andriamanitra Amôna-Ra (na Amôna-Re), ka novany ho Totankamôna ("sary velon’i Amôna") ny anarany sady naveriny indray ny fivavahana amin’andrimanitra maro (politeisma) izay nofoanan’ny faraôna teo alohany, ka nasongadiny indrindra ny fivavahana tamin’i Amôna. Nandritra ny fanapahany dia nandry fahalemana i Ejipta, nafindrany tany Tebay (na Teba) ny toeram-ponenany ka navelany i Aketatôna, ilay renivohitra naorin’i Akenatôna.

Tamin’ny taona 1323 tal. J.K., izany hoe sivy taona najakana izy, dia maty i Totankamôna, angamba nisy namono. Tsy nahatratra roapolo taona izy tamin’izay. Nalevina araka ny fomba fandevenana faraôna izy. Tsy nisy mpandova izy ka nanambady ny vady navelany i Ay sady nandimby azy teo amin’ny fitondrana mandritra ny efa-taona, alohan’ny hanapahan’i Hôremheba, ka izany no namarana ny dinastia faha-18.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Akhenaten no rainy. Ny vadiny dia Ankhesenamun.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.