Nefertity

Avy amin'i Wikipedia
Nefertity
Sary:Nofretete Neues Museum.jpg, Nofretete-a.jpg, Nefertiti Berlín 05.JPG
Ankapobeny
Anarana Nefertity
Teraka Tsy fantatra
Maty 1 Janoary -1338
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

Nefertity dia vadin’ny faraô (na faraôna) atao hoe Akenatôna izay nanapaka an’i Ejipta (na Egipta) tamin’ny vanimpotoan’ny Empira Vaovao. Tany amin’ny taonjato faha-14 tal. J.K. no nahavelomany. Araka ny asehon’ny sarivongana tranainy izay mbola azo jerena hatramin’izao dia mpanatrika ny lanonana ara-panjakana izy sady mitovy laharana amin’ny faraô. Azo lazaina fa nandray anjara tamin’ny raharaham-pivavahana sy ny raharaham-pôlitika izy teo amin’ny fanjakana. Tamin’y fahefa-taonan’ny naha lasa mpanjaka ny vadiny dia nanompo fatratra ny andriamanitra masoandro Atôna niaraka tamin’ny vadiny izy, ka nanampy azy tamin’ny fampijoroana ny ny fivavavahana amin’ny andriamanitra tokana, izay tsy nahafaly ireo mpisorona tao Tebay (na Teba) izay nivavaka tamin’ny andriamanitra Amôna-Re (na Amôna-Ra). Azo inoana fa nisahana ny asan’ny mpisorona vavy i Nefertity, na dia natokana ho an’ny mpanjaka izany asa fanompoana izany. Nanan-janaka miisa enina tamin’i Akenatôna i Nefertity.

Tamin’ny faharoa ambin’ny folo taona nanjakan’i Akenatôna dia mety nisy fiantraikany mafy tamin’ny fiainany ny alahelony noho ny nahafatesan’ireo zanany, ka tsy hita intsony tamin’ny fiainanana miseho vahoaka izy. Nisaraka tamin’ny vadiny izy ka nisitaka niaraka tamin’i Totankamôna mbola kely izay zaza natsangany, nankany amin’ny lapa any atsimo tao amin’ny tanàna vavao naorin’i Akenatôna atao hoe Aketatôna ("ny faravodilanitr’i Atôna"). Ao amin’ny toerana misy an’i Tell el-Amarna ankehitriny no nisy an’i Aketatôna. Tsy fantatra ny toerana nilevenan’i Nefertity tamin’ny nahafatesany, sady tsy hita koa hatramin’izao ireo fanaka nampanarahina azy tany amin’ny fasany.

Ny Taratasin’i Amarna, izay tanimanga voasoratra tamin’ny sora-pantsika momba ny fifandraisan’i Akenatôna amin’ny fanjakana hafa, izay hita tao Tell el-Amarna, sy ny sora-tsokitra ary sary sokitra maro dia maneho fa vehivavy nalaza i Nefertity. Hita ombieniombieny ny sariny, izay miisa mihoatra ny 500, manerana ny tempolin’i Atôna. Aseho ho andriambavy tia ny fianakaviany sady mpiaro ny vahoakany izy. Vehivavy fatratra amin’ny hatsaran-tarehy i Nefertity.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Ay no rainy. Ny zanany dia Meritaten, Meketaten, Ankhesenamun, Neferneferuaten Tasherit, Neferneferure, Setepenre.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.