Tsitakonala

Avy amin'i Wikipedia

Ny tsitakonala dia zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Homalium ao amin' ny fioanakaviana Salicaceae. Any anaty ala amorontsiraka no ahitana azy. Hazo na hazo madinika manana haavo 10 hatramin' ny 15 m izy. Malama ny raviny, izay mifandimby na mifanohitra, manana felany mirefy 4 hatramin' ny 10 mm sady mafy, misy tendrony boribory indraindray miendrika fo, miondrika midina matetika. Manana felam-bony miisa 5 (mahalana ny 4) ny voniny tsirairay, izay miloko fotsy, boribory eo amin' ny tendrony, fa ny fotony maranitra. Ny afovoan' ny voninkazo dia misy fihary miloko mavo mavo miisa 4 na 5, fara fahakeliny, avo roa heny noho ny halavany ny sakany. Homalium laxiflorum ny anarana siantifikany.

Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara io hazo io, izay maniry indrindra any amin' ny ala amorontsiraka misy hazavana, any amin' ny tapany avaratra-atsinanan’ ny Nosy, indrindra amin' ny fasika. Mety ho fahita any amin' ny faritra hafa koa izy.