Tsangan-tsaina

Avy amin'i Wikipedia

Ny tsangan-tsaina na tsangan-tsaiñy na tsangan-tsaingny dia lanonana izay anatsatohana hazo roa, fatorana miaraka manoloana ny tranon' ny olomben' ny fianakaviana, mba hanamarika ny maha iray ny fianakaviam-be sy hanambatra ny lasa amin' ny ankehitriny, ny maty amin' ny velona[1], ahatsiarovana ireo mpanjaka sy ny zava-nitranga taloha teo amin' ny tantaran' ny Antankarana. Ny Tsimihety koa dia nanana lanonana ahitana fananganan-tsaina toy izany, izay manamafy ny fahefan' ny lehiben' izy ireo isan-tanàna.

Nifototra tamin' ny zava-nitranga tamin' ny taonjato faha-19 ny endriky fombafomba amin' ny tsangan-tsaiñy ankehitriny, izay nenti-nanamafy ny fahefan' ny mpanjaka antankarana isaky ny dimy taona ao amin' ny tanànan' Ambatoharaña. Tafiditra ao anatin' ny lanonana ny fivahiniana masina any Nosy Mitsio ho fahatsiarovana ny nankanesan’ ireo mpitsoa-ponenana antankarana tany amin' io nosy io, tamin' ny taona 1830 mba handosirana ny tafiky ny Fanjakan' Imerina. Tsidihina ny fasan' ny razana milevina ao; hatramin' ny vao haingana dia nisy ihany koa ny fananganana ny saina frantsay miaraka amin’ ny an' ny antankarana ho fanomezam-boninahitra ny fifanarahana teo amin' ny Antankarana sy ny Frantsay tamin' ny taona 1841. Amin’ ny tsangan-tsaina dia tsofin’ ny lehilahy ny antsiva.

Ny Fanjakana Marosaina, tao amin’ ny foko tsimihety dia nahitana ireo atao hoe Andriambaloambitelopolo mpiara-mitantana ara-pôlitika, ka ny Andriambaloambitelopolo tsirairay, izay miambina sy miantoka ny lalànan' ny hazary, dia antsoina hoe mpitam-body saina eo amin' ny taniny. Noho izany, isan-taona ny Andriambaloambitelopolo, miaraka amin' ny mpanazary, dia manao lanonana izay ametrahana ny saina, mariky ny fahefana, izay azo oharina amin' ny fetin' ny tsangan-tsaina fanaon’ ny Antakarana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  1. Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc., p. 22.