Tompondaka eran-tany amin'ny tsipy kanetibe 2016
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny tompondaka eran-tany faha-47 amin'ny tsipy kanetibe dia natao tao Antananarivo tamin'ny taona 2016. Fifaninanana tsitelotelo (triplette) sy kendry (tir à la précision) no natao.
Vokatra[hanova | hanova ny fango]
Lalao tsitelotelo[hanova | hanova ny fango]
Madagasikara no nahazo ny fandresena, nandresy an'i Benina tamin'ny isa 13-5 tamin'ny famaranana. Tamin'ny manasa-dalana dia nandresy an'i Belzika 13 noho ny 9 ny Malagasy ary i Benina dia nandavo an'i Frantsa. Razakarisoa Tita, Andrianina Nanou, Razafimahatratra Hery ary Rakotondrazafy Lova no ekipam-pirenen'i Madagasikara tamin'izany
Kendry[hanova | hanova ny fango]
Kamboja no nahazo ny fandresena tamin'ny tifitra fikendrena.