Aller au contenu

Tokantrano

Avy amin'i Wikipedia
Familienidylle, sary nataon' i Aimé Pez, 1839

Ny tokantrano dia vondrona ahitana olona iray na maromaro miray trano sy mandray anjara amin' ny toekaren' io vondrona io. Mety ho fianakaviana tokana na karazana vondrona hafa izany. Anisan' ny mpandray anjara amin' ny toekarem-pirenena ny tokantrano.

Ny tokantrano no singa fototra amin' ny famakafakana amin' ny môdelim-piarahamonina maro sy amin' ny môdelin' ny mikrôekônômia ary ao amin' ny môdelin' ny governemanta, ary manan-danja amin' ny toekarena sy ny resaka momba ny fandovana.

Mety hahitana fianakaviana, fianakaviana mifangaro, trano ifampizarana, trano iraisan' ny vondrona maromaro, trano fiantranoam-pianakaviana, sns ny môdelin-tokantrano. Ao amin' ny fiarahamonina tompomenakely, ny fianakavian' ny mpanjaka sy ny ankohonan' ny mpanankarena tamin' ny Andro Antenatenany dia nahitana mpiasa an-trano sy mpanompo hafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]